Tsy nisalasala ny filohan’ny Fitsarana Avon’ny Lalŕmpanorenana, Pr Eric Rakotoarisoa, nanitrikitrika taorian’ny famoahana ilay vokatra ofisialin’ny fifidianana senatera tamin’ny zoma teo, raha nilaza ampahibemaso tamin’ny fiatrehana an’ireo mpanao gazety maro be fa :
“tena tsy ampy traikefa ry zareo mpiandraikitra tany amin’ny birao fandatsaham-bato tany tamin’iny fifidianana iny. 5O taona mahery aty aorian’ny nanaovantsika fifidianana, hoy izy, mbola mitavozavoza fanao foana isika mianakavy. Amiko dia mila ezaka avy amintsika mianakavy ny mitaiza ny vahoaka na avy amin’ny antoko politika tsy an-kanavaka na avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana samihafa, na avy aminareo mpanao gazety koa aza fa tsy hiandrasana ny aty anivon’ny HCC foana ny fitarihana izany. Raha eo amin’ny porofo ilaina amin’ny fitarainana atao dia mbola sarotra amintsika ny hamantatra ny sary tena izy sy namboamboarina noho ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Farany, ambarako hoy izy fa ny kolontsaina fiatrehana ny fifidianana eto amintsika mihitsy no mila amboarina fa tsy hoe hanao fifidianana dia andeha hangala-bato foana sanatria no atao ao an-tsaina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.