Tsy nisy niteny tamin’ny anarany ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert nifandimby niteny teto amin’ity kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ity, hoy Atoa Jean Charles avy any Vangaindrano, fa nifampierana tamin’ny filohan’ny ankolafy avokoa izay nolazain’ny rehetra teto fa androany (sabotsy 26 aprily) vao mba nitana “micro” teto ny tenako.
Hatreto, hoy izy, dia tsy miova ny foto-kevitra hijoroan’ny ankolafy Zafy Albert dia ny firosoana amin’ny tena fampihavanam-pirenena tena izy. Ny zava-misy ankehitriny, hoy izy, dia manjaka loatra ny fitiavan-tena ka lasa vato misakana amin’ny firosoana amin’ity fampihavanam-pirenena ity, ary mahatonga ny fanaparam-pahefana. Zary lasa fomba ratsy eto Madagasikara ny fanagadragadrana olona, amoromporonana dosie hafahafa eo. Vokatr’io fitiavan-tena io dia hisy saranga vaovao hiforona eto Madagasikara, hoy i Jean Charles dia ireo Malagasy vitsivitsy mibodo samirery ny harem-pirenena ary ireo saranga manonofy antoandro amin’ny harenan’ny firenena tsy fantany akory. Eto, hoy ity mpanao politika avy any Vangaindrano ity, dia ambaranay ampahibemaso fa andeha an’ila ny fampihavanam-pirenena raha tsy tonga eto an-tanindrazana ny prezidà Marc Ravalomanana. Ka mitodika amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izahay : “Raiso ny andraikitrao sy ny devoaranao Atoa filoha, ampodio i Marc Ravalomanana !”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.