Raha ny hevitry ny CST Jean Biya Randrianantoanina dia nifanojo tanteraka tamin’ny hevitra naroson’izy ireo ireny rehetra navoakan’ny CENIT tamin’ny herinandro lasa teo ireny mikasika ny fanolorana ny datim-pifidianana samihafa.
Efa narosonay HPM hatramin’izay, hoy izy, ny tokony hanaovana ny fifidianana ny rafitra mpanatanteraka mialoha ny fifidianana rehetra mbola hatao mba hahatapitra haingana ny tetezamita. Ao tsara koa ny fotoana voatondro mifanaraka amin’ny vanim-potoanan’ny main-tany. Satria efa voasoratra ao anatin’ny sori-dalana fa fifidianana madio, mangarahara sy eken’ny rehetra no hatao, dia ilaina aloha ny fampihavanam-pirenena mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana rehetra, hoy ity CST ity. Ilaina ao anatin’izany, ny famoahana ampahibemaso ny lisitr’ireo solontena isam-paritra tafiditra ao anaty rantsa-mangaikan’ny CENIT ary izay vao hatomboka ny fandrafetana ny lisi-pifidianana mba hisorohana ny mety hisian’ny korontana. Ny fandraisan’ny rehetra anjara no hipetrahan’ny lazaina hoe madio sy mangarahara.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.