Politique

Jaozandry – «Association Zanak’Antsiranana» «Tsy afaka ny hitoka-monina eto isika»


  • Talata 30 Jolay 2013


Tsy hisalasalana, hoy ny tomban’ny mpanara-baovao fa hisosa ho azy tahaka ny teny amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny fandanian’ny mpikambana CST an’ilay volavolan-dalàna 2013-013 manova sy mameno ny rafitry ny CES. Raha ny fandinihanay azy mialoha, hoy ny CST Jaozandry avy amin’ny HPM, dia tsy tokony hisy sakantsakana loatra ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity satria fanatanterahana ny hetahetan’ny iraisam-pirenena hirosoana mankany amin’ny fankatoavana sy hanatanterahana ny fifidianana. Hatreto, hoy izy, dia tsy mbola afaka miolonolona samirery izany isika fa tsy maintsy mifanaraka amin’ireo vondrona avy any ivelany ireo hatrany. Ka anisan’ny zavatra takian-dry zareo ary izao hirosoantsika izao ny fanitsiana ny rafitry ny CES ka isika indray ve no volo hanoha randrana amin’izany ? Nambaran’ity filohan’ny fikambanan’ny Zanak’Antsiranana lasa CST ity, fa hahavaha ny ampahan’olana ny fandaniana an’ity volavolan-dalàna fananganana ny CES ity. Marihina fa anio hariva no hoentina holaniana eo anivon’ny fivoriana hitambarambe etsy Anosikely ity volavolan-dalàna ity raha anio maraina no hodinihan’ireo mpikambana ao anatin’ireo vaomiera voakasika ny momba azy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT