Politique

Jaona Elite Nahatsiaro manokana ireo zokiolona eny Atsimondrano


  • Talata 24 Jona 2014

Manao tohivakana ny asa sosialy ataon’ny fikambanana «Fanasina ho Fampandrosoana an'Atsimondrano» tarihin'i Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite.

 Taorian’ny fanampiana ireo sekoly EPP miisa enina eny Atsimondrano amin’ny fanohanana ara-tsakafo ny mpianatra miisa 2300, amin’ny alalan’ny «cantine scolaire» dia hitodika manokana amin’ireo zokiolona indray ny fikambanana amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena izao. Soatoavina malagasy ny fanajana ny ray aman-dreny, ka ho fanomezana hasina azy ireo indrindra no anton’ny hetsika. Zokiolona miisa 1 600 avy amin’ny Kaominina miisa 18 ao Atsimondrano no hiantefan’ny fanomezana, vary anaty fonosana. Nohamafisin’i Jaona Elite fa mitohy ny fizarana omby isaky ny Kaominina araka ny nampanantenainy nandritra ny fampielezan-kevitra. Hahazo ny anjara fanampiany koa ireo EPP hafa raha efa am-pelatanana ny karamany. Momba ny lafiny politika, indrindra ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, dia milaza ny mbola hifampidinika amin’ireo Solombavambahoaka namany i Jaona Elite ny amin’ny hananganana vondrona parlemantera GSP (Groupe Parlementaire Spécial) na tsia, ka ho fantatra hatramin’ny zoma izao ny amin’io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT