Olana fototra eto amin’ny firenena ny mbola fiankinan-dohantsika eo amin’ny lafiny angovo, hoy ny profesora Ratsima James.
Mazàna tranga hipoiran’ny fifanolanana na mety fifandonana mihitsy ao anatin’ny firenena iray rahateo ny tsy fifehezana ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany toy ny solika. Ny tontolon’ny harem-pirenena Malagasy izay anjakan’ny fitiavan-tenan’ny fitondram-panjakana miaraka amin’ireo vahiny tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany, hoy ny lehiben’ny FPM (Front Patriotique Malagasy). Bahanan’ireo orinasa tsy miankina avy any ivelany, ohatra, ny sehatry ny famatsian-tsolika hatramin’ny nandravana ny SOLIMA. Tsy manaja akory ny lalànan’ny fifaninanana anefa ireto farany ary mangina miray tsikombakomba ny mpitondra Malagasy. Ny antony dia satria fidiram-bola fototry ny kitapom-bolam-panjakana izy io, hoy ny mpitarika ny Mandatehezan’ny tena Tia Tanindrazana. Taom-panafahana ho an’ny Malagasy anefa ny 2017. Nohamafisin’ity filohan’ny fikambanana Asandratro ny Fireneko ity ny efa nambarany teo aloha fa hisy zavatra hitranga eto Madagasikara amin’ity taona 2017 ity vokatry ny tsy fahazakan’ny fiaraha-monina intsony ny fidangan’ny vidim-piainana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.