Politique

James Ratsima Voatafika noho ny famoahana ny marina


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Misy ny olona tsy mahatanty ny filazana ny marina, hoy Atoa James Ratsima sekretera jeneralin’ny Madagasikara Firaisankina, ka tsy vitan’ny fanaovana rahom-bava intsony fa niroso lalina tamin’ny famotehana ny fiarako nijanona teny amin’ny “stationnement”.

 Betsaka ny zavatra simba tamin’io fiarako io noho ny tora-bato natao taminy ka ny goavana indrindra tamin’izany dia ny fahavakisan’ny “pare-brise” aoriana. Misy hasiny anefa ity tanintsika ity, hoy izy, ka efa tratra ilay olona nahavanon-doza ary nilaza fa nomen’ny vazaha roalahy miteny italianina vola izy hanao ity asa ratsy ity. Fototr’ity tranga ity, hoy Atoa James Ratsima ny fahafantaran’ireo nanao ny ratsy ny fahazoako ny porofo marina  amin’ny fivarotana amin’ny vahiny ny tanintsika any Ihorombe.

Taratasy lazaina fa fampanofan’ny fanjakana Malagasy nosoloin’ny ministry ny fanajarianany tany tena ny  tany mirefy 6558 ha 78 a 16 sa ao amin’ny kaominin’i Satrokala sy Andiolava distrikan’Ihosy Faritr’Ihorombe izay natao “bail emphytéotique” mandritra ny 30 taona ka ahazoana tamberim-bidy lelavola 196.753.448 ariary isan-taona amin’ny orinasa Tozzi Green ary vita fifanarahana mazava izany). Hampahafantarina ny rehetra izany rehetra izany fa tsy afaka ny handefitra amin’ny fanaovana z’inona ny Malagasy isika, hoy ity Sekretera jeneralin’ny  Madagasikara Firaisankina ity.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT