Misarika ny sain’ny vahoaka Malagasy sahady amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2017 izao ny profesora James Ratsima, filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko.
Naveriny indray ny fanehoan-kevitra efa nataony hatramin’izay fa tsy mbola mahaleo tena isika eto Madagasikara ary tsy tokony hanantena zava-tsoa avy amin’ny mpitondra napetraky ny mpanjanaka mihitsy. Hita taratra hatrany mantsy hoy izy fa rehefa misy asa hatao eto amin’ny firenena dia tsy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka mihitsy izany raha toraka izany koa ireo karazana fanahapan-kevitra maro samihafa raisina.Tsy misy mpanjana-tany hitsinjo antsika Malagasy izany eto hoy izy fa ny tombotsoany ihany no heveriny sy ataony laharam-pahamehana. Natao hitsetsefana sy hanambakana ary hanjakazakana avokoa izay rehetra hataony hoy hatrany ny profesora James Ratsima, na hetsika ara-panahy na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy indrindra fa ireny nolazaina hoe : fanampiana na fampindramam-bola hotrosaina ireny na fiaraha-miasa koa izay tena feno fitaka sy lainga tokoa hoy izy.Ny mpanjana-tany sy ny bolokiny ary ny mpiara-miombon’antoka aminy ihany no voky sy mitavana ny tombotsoany rehetra eto hoy izy fa tsy misy vahoaa milamina izany. Mikasika ny mpitandro ny filaminana dia notsindriany manokana fa tsy hametraka tafika manana ny maha-izy azy eto amin’ny firenena mihitsy ny mpanjanaka ary ireo mpitandro ny filaminana misy dia ataony herim-pamoretana ho an’ny vahoaka satria voabaikony,na dia ny hetra aloantsika eto ihany aza no andoavana ny karaman’izy ireny. Fehiny hoy hatrany izy dia mbola andevo eto amin’ny taniny ny Malagasy noho izany tsy tokony hanantena fandrosoana na zava-tsoa avy amin’ny mpitondra napetraky ny frantsay isika na inona na inona lazainy sy ambarany ary hataony. Miantso ny Malagasy rehetra mba samy handinika sy hisaina ary hanapa-kevitra ity filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko ity araka izany ho tombontsoan’ny tanindrazana iombonana sy ny taranaka faramandimby.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.