Politique

James Ratsima “Tsy amidy i Madagasikara”


  • Alakamisy 02 Mey 2013

Nanambara ny fikambanana “Vondron’olona tia tanindrazana”, izay tarihan’Atoa James Ratsima fa “potika tanteraka ny firenena amin’izao fotoana izao ary ao anaty fahantrana mangitsokitsoka ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa noho ny afitsok’ireo bolokim-bazaha eto Madagasikara.

 Ny telo ampahefatr’i Madagasikara dia efa lasan’ny vahiny avokoa, ny seranam-piaramanidina sy ny seranantsambo eto amintsika dia ny vahiny no mifehy azy no sady manjakazaka amin’izay tiany atao, manginy fotsiny ny olan’ny fananantany, ka ny Malagasy teratany indray no mihafihafy amin’ny fananany… Noho ireo antony ireo dia tokony hiray hina sy ho saro-piaro amin’ny hareny ny Malagasy ary hiady sy hamongotra hatramin’ny fakany ireo mpanjakazaka an-tanin’olona ireo fa raha tsy izany dia ho lasan’ny vahiny ambongadiny i Madagasikara”. Nilaza ihany koa Atoa James Ratsima fa “Vonona tanteraka ny tenany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Nahatsapa anefa izy fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena no mibaiko ny fifidianana eto amitsika, ka tsy mety aminy izany satria manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Mahatsapa koa izy fa maloto ny kianja ilalaovana noho ireo fandikan-dalàna ataon’ireo mpirotsaka hofidiana sasany. Noho ireo antony ireo dia naleony nanaja tena tsy nilatsaka. Manohana ny fampihavanana tarihin’ny FFKM ny tenany raha tsy ao ambadikan’izy ireo indray ny hery vahiny. “Ny hanalana ny Malagasy ao anaty fahantrana no tanjona”, hoy ireto vondron’olona tia tanindrazana ireto ary nohamafisiny fa “i Madagasikara dia tsy amidy fa an’ny Malagasy irery ihany”.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT