Tsipaky ny miala sisa io ataon’ny mpitondra ankehitriny io, hoy ny profesora James Ratsima filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko.
Efa vita ny 99 andron’ny mpanan-tany ka anjaran’ny vahoaka tia tanindrazana indray sisa izao. Tsy hoe nangina tsy nahaloa-peo akory izahay nanoloana ny savorovoro nisy teto amin’ny firenena fa misy ny fotoana hanginana ary misy koa ny fotoana hitenenana. Maro ireo olona nandiso anay raha namaky ireo fanambarana nataonay na nihaino anay tamin’ny haino aman-jery samihafa raha niapanga anay ho tsy tia vahiny mihitsy aza ny sasany, hoy izy. Ankehitriny, miseholany ary miharihary ny zavatra nambarany ka anisan’ireny ny hoe : tsy misy mihitsy ny fahaleovantena, mbola zanatany isika. Noraisiny ohatra tamin’izany ny resaka Soamahamanina izay anjakan’ny vahiny tanteraka ankehitriny. Ny frantsay no fototr’izany, izay mametraka sy manala ny mpitondra teto hatramin’izay ary mbola hiainantsika hatramin’izao. Tsy manana tafika isika fa miaramila ampiasain’ny Frantsay ho herim-pamoretana no misy. Nomarihiny fa tsy adala akory ny vahoaka Malagasy fa efa mahalala ny marina rehetra eny hatramin’ny tetikizy ireo hametraka tetezamita hanao fifidianana malalaka amin’ny alalan’ny fanerena ny mpitondra hampiditra ireo olony izay mody mpanohitra anaty governemanta ho fampiraisam-pirenena sy ho fiaraha-mitantana. Miantso ny vahoaka mba ho mailo ity profesora ity, indrindra manoloana ireo soavalim-bazaha mikasa hiakatra haka fanjakana indray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.