Politique

James Ratsima “Mbola ny Frantsay no mitondra eto”


  • Alarobia 08 Jona 2016

Mbola sarintsarina fahaleovantena ihany no misy eto amintsika, 56 taona aty aoriana, hoy ny profesora James Ratsimba filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy,omaly

. Hita amin’ny lafiny rehetra fa ny Frantsay no mbola mitondra etodia ny ekonomika, ny politika  ary ny bolokony no hapetranymbolamanohynyasa ratsiny. Raha mitsangana izahay milaza  izany fa tsy mahaleotena ny Malagasy dia samy mahalala isika fa tsy misy malagasy mahaleo tena eto. Firenena tsy mbola mahaleotena ny firenentsika ka inona no mbola hihazakazahana hankalazana ny 26 jona ? Tsy mampalahelo antsika ve ny mijery ireo Malagasy kely zaraina saina, izay saina terena sy hiram-pirenena noterena miaraka amin’ny mpitondra mbola noterena no maka toerana eo ?  Na ny tafika aza dia mbola ny Frantsay no nametraka izany, 56 taona lasa izay. Tsy manana tafika anabakabaka sy an-dranomasina isika fa ny ananantsika dia ny miaramila kely izaynomena fitaovam-piadiana ary natao herim-pamoretana na dia ireo tia tanindrazana aza. Na ny fari-dranomasintsika aza dia tsy voaarontsika ireo nosikelintsika izay vakoka malagasy satria na dia ny fasana misy ao aminy aza dia fasana malagasy izay bodoin’ny Frantsay an-kitsirano tsotra izao. Vonoiny ireo  mpanjono malagasy miditra ao,tranga izay iainana fianakaviana maro be nefa tsy nahitan-teny ny mpitondra. Midika izany fa mpamadika ny Malagasy ny mpitondra. Matoa  izahay mitsangana dia manaitra antsika rehetra amin’izay mba ho sahy hanao Tsia amin’ireo boloky napetraky ny Frantsay ireo. Notsindriany ihany koa fa zava-poana ny fitakiana ireo nosintsika ireo raha mbola misy ny fifanarahana ataon’ny mpitondra ankehitriny izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany. Nanamafy anefa izy fa tsy maintsy ho azontsika ireo Nosikely ireo. Tsy maintsy mailo isika fa misy teknisianintsika ihany ao ambadika mety  hamadika ny Malagasy  haka 50 na 60 % amin’izany. Nomarihiny moa fa na i kaomoro na i Maorisy na I Seisela dia mbola ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Nisy ny fandrosoana vahaolana maro omaly nataon’i James Ratsima sy ireo mpiara-dia aminy toy ny fananganana tafika Malagasy tena izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT