Politique

James Ratsima “Izaho tsy miaraka amin’ny jiolahim-boto”


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Ny hevitro voalohany mikasika ny famoahana ny didim-pitsarana ny raharaha BANI Ivato tamin’ny alarobia 21 martsa teo iny, hoy Atoa James Ratsima, Sekretera jeneralin’ny antoko Madagasikara Firaisankina, dia mamofompofona fandrangitana adim-poko izy iny.

 Nafahana daholo mantsy ny voampanga teraka afovoan-tany, hoy izy, ary nidiana ireo avy any amin’ny sisiny. Mipetraka ny fanontaniana hoe : tena mahefa ve ireo nitsara ? Tsy mety amiko, hoy ity mpanao politika ity, fa rehefa Gasy dia Gasy fa tsy misy hoe razan’iza no tsy Gasy, fa isika samy Gasy daholo. Na izany na tsy izany, faly aho, hoy Atoa Ratsima, ny amin’ny tsy nitanana an-dRina sy Raymond Ranjeva. Tokony haely fatratra manerana ny haino aman-jery hoe : inona no antony nanalam-baraka olona ambony tahaka ireny ? Tokony hampahafantarina an’izao tontolo izao mazava fa ireny no fomban’ny fitsarana Malagasy.

Nanohana ity fitondrana ity aho, hoy ihany ity mpanao politika ity, fa tsy nanohana an-jambany. Niantso ahy avokoa hiaraka hiasa ny fitondrana rehetra nifandimby teto ary indrindra ity fitondrana tetezamita ity fa tsy niditra mihitsy aho. “Izaho tsy miaraka amin’ny jiolahim-boto fa izay no fiheverako izao fitondrana izao”. Tanora hanavotra ny firenena no nantenaina nefa tsy izay no niseho fa mbola tsindrian’ny mpanjanaka hatrany. Betsaka ny zava-dratsy niseho tsy hotanisaina eto mihitsy tao anatin’izay telo taona izay. Fa ny tena tsy tantiko, hoy Atoa James Ratsima dia vonovonoina fotsiny ny olona nefa tsy mahavita n’inona n’inona ny mpitandro ny filaminana. Ny filohan’ny tetezamita anefa no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. “Rehefa tsy vita miala eo amin’ny latabatra fa fanaovana tsinontsinona ny Malagasy izao !”.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT