\Isan’ireo kandida ho depiote nisafidy ny hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana ao amin’ny boriborintany voalohany ny kandida Jacques Razafimbelo.
Efa ela aho no vonona ny ho solombavambahoaka ary efa ela no nitakian’ny vahoaka ny firotsahako ka dia mamaly izay hetahetan’izy ireo izay aho ankehitriny, hoy ity mpahay toekarena ity. Mahatsiaro menatra koa ny tena, hoy izy, manoloana ny endrika ratsy rehetra nahafantarana ny antenimieram-pirenena ary soa ihany fa tsy tao anatin’ny rafitra tamin’ireny. Izany rehetra izany dia antony handraisako handraikitra daholo mba hiova endrika ny eny Tsimbazaza eny fa tsy antenimiera mahamenatra sy feno kolikoly intsony. “Hanova hanao vanona ny fiainam-piarahamonina” rahateo, hoy hatrany ity kandida ity, no teny filamatray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.