Politique

Jacques Chirac Voarohirohy amina famatsiam-bola maizimaizina


  • Talata 13 Septambra 2011

Miala any indray ny resaka aferafera sy resa-bola mahavoarohirohy ny filoha frantsay teo aloha, Jacques Chirac sy Atoa Dominique de Villepin izay sady efa Sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika Frantsay no praiminisitra sy minisitry ny raharaham-bahiny.

 Atoa Robert Bourgi, mpisolovava sady anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ilay tambajotra goavana France-Afrique, ary mpanolotsaina tsy ofisialin’ny filoha Nicolas Sarkozy no namoaka ny tsiambaratelo ny alahady teo tamin’ny alalan’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Nitantara izy ary nilaza fa tena nisy ny vola be avy any amin’ireo mpitondra Afrikanina nalefa tany Paris ary nomena ny filoha Frantsay Jacques Chirac sy ny praiminisitra De Villepin teo anelanelan’ny 1997 sy 2005. Nambaran’ny Me Robert Bourgi ihany fa am-polony tapitrisa euros izany vola izany ary sarotra ny mikajikajy azy satria tena efa betsaka ilay izy. Nanamafy moa ity mpisolovava ity fa nisy fotoana izy efa nitondra ny valizy kely misy izany vola izany, avy any Afrika nankany Frantsa. Nisy ihany koa ny mpiara-miasa akaiky tamin’ny filoha Ivoarianina teo aloha Laurent Gbagbo nanamafy tamin’ny mpanao gazetin’ny AFP fa tena nisy tokoa ny vola mitentina 2 tapitrisa euros avy any Abidjan nalefa tany Paris tamin’ny 2002 mba hamatsiana ny propagandin’ny filoha Chirac.

Nanohy ny fanazavany ihany ingahy Robert Bourgi ary nilaza fa filoham-pirenena Afrikanina 5 no tena nazoto namatsy ara-bola ny filoha Chirac dia i Abdoulaye Wade (Sénégal), Blaise Compaoré (Burkina Faso), Laurent Gbagbo (Côte d'Ivoire), Denis Sassou Nguesso (Congo-Brazzaville), ary i Omar Bongo (Gabon). Mitentina 10 tapitrisa euros eo ho eo izany vola izany, izay natokana tamin’ny ampahany betsaka mba hamatsiana ny fampielezan-kevitry ny filoha Jacques Chirac tamin’ny 2002. Nataoko izao ampamoaka izao satria te hamadika tanteraka ny tantara aho, tantara izay somary mahamenatra ihany, hoy Atoa Robert Bourgi.

Samy nitsipaka marin-darno izany rehetra izany moa na Atoa Chirac na Atoa De Villepin, izay tato anatin’ny telo taona izao dia tsy afa-bela mihitsy tamin’ny fitsarana Frantsay noho ny resaka kolikoly sy fanodinkodinam-bola. Atoa Dominique De Villepin moa dia efa afaka noho ny tsy fahampian’ny porofo tamin’ilay raharaha Clearstream saingy mbola ao anatin’ny raharaham-pitsarana tanteraka kosa amin’izao fotoana ny filoha Chirac noho ny resa-bola. Nisy resaka nandeha toy izany koa taty Madagasika tany amin’ny taona 90, saingy tsy nisy nitondra porofo ka dia nangina ho azy teo. Vantany vao tafiakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Sarkozy dia nihazakazaka ny fivoahan’ireo dosie isan-kazarany momba ireo mpitondra teo aloha nodimbiasiny ka lasibatra Atoa isany Chirac sy De Villepin. Tsara homarihana moa fa henjana ny fifandrafiana sy fifanenjehana teo amin’i Nicolas Sarkozy sy Dominique De Villepin tamin’izany fotoana na dia samy tao anatin’ny governemanta aza izy ireo ary sahirana mihitsy ny filoha Chirac nandamina ny raharaha.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT