Ho tonga eo amin'ny tsotsorimamba isarahana angamba ny filoham-pirenena Jacob Zuma sy ny firenena Afrika Atsimo raha izao no mitohy.
Voarohirohy amin`ny raharaha maro samihafa misy ifandraisany amin’ny kolikoly avo lenta izy. Miketrika fanonganana an`ity filoha ity ny Antenimieram-pirenena any an-toerana ankehitriny ary mety amin`ny volana febroary dia ho tanteraka izany. Raha tsy manaja tena mametra-pialana Atoa Jacob Zuma dia ho very ireo tombontsoa amin`ny maha filoham-pirenena azy kanefa raha manaraka an`izay lalana izay dia mety hahazo fanenan-tsazy. Efa diso manjaka ny kolikoly ataon`ny filoha, ka tsy hanaiky lembenana ary tsy handefitra aho amin'ny fanaovana mizana mitsindry ila, na ny kiantranoantrano, hoy ny filoha vaovao mitantana ny ANC Cyril Ramaphosa. Marihina fa ny vady voalohan’Atoa Jacob Zuma, Nkosazana Dlamini Zuma izay nitarika ny vaomieran’ny vondrona Afrikanina teo aloha, no nifaninana taminy ny volana desambra lasa teo. Nandeha be ny resaka fa raha lany filohan`io antoko io Rtoa Nkosazana Dlamini Zuma dia mety tsy ho tonga amin`izao toe-draharaha izao Atoa Jacob Zuma satria tsara mpiaro, saingy tsy nety ny kajy koa dia izao izy miozongozon-tseza izao. Toy izao toe-draharaha misy any Afrika Atsimo izao mihitsy no mitranga eto amintsika dia ny kiantranoantrano amin'ny fitantanana ny firenena, ny kolikoly, ny fanomezana tombontsoa manokana ny fianakaviana na namana akaikin’ny mpitondra. Toa misy mampitovy azy izany ny zava-misy any Afrika Atsimo sy eto Madagasikara. Fa moa ve mba manana fahasahiana tahaka ny nataon’ny parlemantera Afrikanina tatsimo ireo solombavambahoaka eto Madagasikara ? Na dia hanasaziana ny mitovy antoko amin’ny tena aza ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.