J. Chissano – A. Rajoelina

> Niara-niala omaly teto Madagasikara


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013

Fifanojoan’ny fandaharam-potoana sa hetsika efa nomanina ? Niara-nandao an’i Madagasikara omaly mantsy ny iraka mpanelanelana avy amin’ny SADC notarihin’ny filoha mozambikanina teo aloha Joaquim Chissano sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.

Na tsy niray fiaramanidina aza dia misintona ny sain’ny mpandinika ny raharaha politika ny zava-nitranga. Vao mainka nampitombo ny resabe ny tsy fisian’ny fanazavana na koa fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita manodidina ny nialan’i Andry Rajoelina an-tanindrazana omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, nihazo an’ny Nosy Maorisy (?). Nanaovana fampilazana mialoha anefa fa hanao fanambarana ny filohan’ny tetezamita ny hariva (omaly) tamin’ny valo ora alina. Araka izany dia zavatra efa vita fandraisam-peo mialoha no nalefa ho re sy hita tamin’ny haino aman-jerim-panjakana. Inona no ao ambadik’ity dia mangingina lasa any Maorisy ity ?

Ny Malagasy eto misavoritaka, ny firenena ihany koa sahirana mafy, indrindra ara-bola. Izy anefa lasa, ary volam-bahoaka no iantohana ny fandaniany rehetra any. Firenena efa falehany aloha raha i Maorisy. I Maorisy izay mitarika ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na ny COI ankehitriny. Ny COI izay ny Frantsay no mifehy azy. Manoloana izany dia be no mihevitra fa ankoatra izay fialantsasatra mety hataony dia karazan’ny valim-babena ho an’i Andry Rajoelina izao nahafahany miondrana any ivelany izao, rehefa nahavita nibahana ny filatsahan-kofidian-dRtoa Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy. Nahavaka ny sain’ny maro koa mantsy ny toraka voninkazo nataon’Ingahy Joaquim Chissano ho an’i Andry Rajoelina tamin’ny ambarany fa andraikitra noraisin’ity farany sy ny fitiavan-tanindrazana (?) nasehony hirosoana any amin’ny fifidianana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT