Politique

Ivato sy Ambohitsorohitra Hafakely ny andro zoma amin’ity


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Nanao fanambarana ny lehiben’ny tafika fa hanaraka ny ara-dalŕna ary afaka mody ny Filoha Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, hoy i Sazalahy Tsianihy tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 Noho izany tsy tokony hisy intsony ny tarehy maloka eto an-kianja, hoy izy. Ovay ny takelaka milaza ny kianjan’ny demokrasia ao Ambohijatovo, hoy i Rostand avy any Ihorombe, fa raha mbola io no anarany dia hiakatra eny foana izahay. Eny Anosikely sy Tsimbazaza no tokony hisy anareo ry miaramila, eny no misy sakoroka sy totohondry. Izahay mankasitraka rehefa misy zavatra tsara ka misaotra ny tafika.

Aza mba ny FAT ihany ry TVM sy RNM no alefa fa aleo ho hitan’ny vahoaka manerana ny nosy ny hadalan’ny mpanao politika. Marina ny teninareo « non à l’impunité », « non à l’impunité du 26 janvier », « du 07 février » sy ny « impunité » amin’ny halatra « bois de rose ». Misy “brochette party” indray any Ivato amin’ny zoma, firevenana tsy misy toa azy ka tongava maro. Amin’ny zoma koa, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno, dia mihazakazaha any Ambohitsorohitra ianareo rehetra mahatsiaro tena fa sahirana fa hozaraina fanampiana daholo fa izy no nampahantra anareo. Maimaimpoana ry sahirana ny fitsaboana eny amin’ny CSB II, ny “droit” eny amin’ny sekolim-panjakana, nefa mbola mandoa izany avokoa ireo ray aman-dreny. Tsy leo any izany ve ianareo ? Mitandrema ianareo mpanao gazety sasany amin’ny vava havoaka amin’ny onjam-peo fa efa kely anie sisa ê ! Iza moa ianareo no tsy hanaiky ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT