Politique

Ivato Notsenain'ny DST ry Guy Rivo


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Omaly tokony ho tamin'ny telo ora tolakandro latsaka no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina nitondra an'i Guy Rivo Randrianarisoa sy Tojo Ravalomanana mivady.

 Efa tonga nialoha teny ny kaomisera Nakany Charly lehiben'ny DST niaraka tamin'ny polisy sy zandary telo. Nandeha ny resaka fa hosamborina izy ireo raha vao manitsaka ny tanin'i Madagasikara. Rehefa tonga anefa ireo olona nandrasana dia tsy nisy ny fisamborana fa nifampiarahaba aza no nataon'ny andaniny sy ny ankilany. Tsiliantsofina no nahafantarana fa nisy ihany izay eritreritra fisamborana izay saingy nisy ny fanakanana avy any amin'ny faratampony. Nivadika ny resaka taorian'izay ary naparitaka indray fa hiaro azy ireo no anton-dian'ny DST sy ireo miaramila tonga teny an-toerana. Fa tetsy ankilazan’izay dia nisy andian’olona nentina taksibe roa, notarihin’ny mpitarika ny AV7, koa tonga teny Ivato ary nihogahoga niaraka tamin’ny sorabaventy. Nifanala am-bava tamin’ireo zanak’i Dada tonga maro nitsena ireto avy any Afrika Atsimo ireto izy ireo, ka nisintaka tsimoramora nony avy eo.
Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT