Politique

Itasy Nanamafy ny fanohanany an’i Marc Ravalomanana


  • Talata 03 Aprily 2012

Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny Vondron'Olon-tsotra Manohana an'i Marc Ravalomanana sy Mitaky ny ara-dalŕna (VOT) manao fampitam-baovao sy manazava amin’ny Vahoaka eny ifotony ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny dingan’ny tolona hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka hitondrany indray ny firenena.

 Ny Faritra Itasy, ka tao Analavory no nampiantrano ny fihaonana ny faran’ny herinandro teo, sady nananganana ny sampan’ny VOT Itasy. Nitarika izany ny mpandrindra nasionalin’ny VOT, Zoé Sarah. Vory maro ny olona avy amin’ireo Distrika telo, dia i Soavinandriana, Arivonimamo, Miarinarivo sy avy amin’ireo Kaominina manodidina, nahitana olom-boafidy, mpiasam-panjakana, mpandraharaha ary olon-tsotra. Nisy ny fifanakalozan-kevitra ka tsapa tao anatin’izany ny hafanam-pon’ny Vahoaka ao amin'ity faritra ity. Maro no nijoro vavolombelona tamin’ny asa fampandrosoana vitan’i Marc Ravalomanana tamin’ny faritra afovoany andrefan’i Madagasikara iny, izay nahazoan’ny tantsaha tombontsoa, saingy potika tanteraka izany tato anatin’izao tetezamita izao. Tsy vitan’izay fa tebiteby lava ankehitriny no iainan’ny vahoaka amin’ny asan-jiolahy. Miandrandra indray an’i Marc Ravalomanana hitantana ny firenena hanarina izao fahavoazana izao ny vahoakan’Itasy, izay nanamafy tamin’ity fihaonana ity fa tsy mivadi-belirano ary vonona hanohana sy hampandany azy indray amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT