Politique

Isan’ny mpifidy Mila mazava tsara, hoy ny manampahaizana


  • Zoma 02 Martsa 2018

Ny taona 1993 no nisy fanisam-bahoaka farany, raha ny fanazavan’ny manampahaizana momba ny antontan’isa sy ny mponina, Tarzan Ndremitsara.

Nisy elanelana be tao ny dikan’izany teo amin’izay fahafantarana ny isan’ny mponina izay mandra-pahatongan’izao 2018 izao. Zava-dehibe ny famantarana ny antontan’isa. Eo ihany ny fahafantarana ny isan’ny mponina, indrindra ny mpifidy amin’izao akatoky ny fifidianana izao. Mila mazava io ! Raha 15 tapitrisa no isantsika kanefa hametraka hoe 10 tapitrisa dia mety hiteraka fanjavozavoana (perdition) ny mikasika ilay 5 tapitrisa ambiny. Ny lisi-pifidianana avy eo anivon’ny CENI rahateo misy sosona 3 na 4 (triplant, quadriplant..) na mihoatra aza ka mety hiteraka fanjavozavoana araka ny voalaza teo avokoa. Ilaina ny fitantanana ny volan’ny kandida, hoy ity manampahaizana momba ny antontanisa sady mpanao politika ity satria antoky ny mangarahara. Efa misy any amin’ny firenena mandroso io. Ilaina fantatra ny fiavian’ny vola sy ny hampiasain’ny kandida iray. Tsy maintsy miainga amin’ny zotra ofisily (canal officiel) toy ny banky izany hamantarana ny kaontin’ilay olona na antoko, ny fiaviany sy mpitantana azy.

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT