Iray volana katroka anio 19 febroary no nitondrana ny firenena i Andry Rajoelina sy ny ekipany.
Tsy ampy hitsarana azy izany, saingy ny zavatra hita aloha, dia manomboka mampitamberina ny tetezamita ny zava-misy ankehitriny. Mahery setra sy mihazakazaka any amin’ny fananganana fahavalo. Ny ankolafin-kery politika samihafa dia efa karazan’ny mipetraka sy tsy mametraka sakana ho an’ny fanjakana amin’izay vina sy fampandrosoana tiany hatao sy hapetraka eto. Noheverina ho ainga vao ho an’ny tontolo politika eto Madagasikara ny fisian’ny fankatoavan’ny filoha teo aloha ny voka-pifidianana efa hita fa feno tsy fahamarinana. Nitohy tamin’ny fanatrehan’ireo filoha teo aloha telolahy nanotrona ny fianianana tamin’ny 19 janoary. Tsy izay anefa ny zava-miseho fa nanomboka ny haza lambo sy antsojay. Fa angaha ireo nosamborina sy atao andrimaso ireo ihany no mpanao afera sy mpanao bizina eto ? Tsy misy miteny eto hoe avelao handeha ny tsimatimanota kanefa afaka miteny sy mianiana ve ilay filoha am-perinasa sy ny manodidina azy fa tena madio sy tsy mpanao afera sy nangoron-karena tamin’ny fanondranana harem-pirenena ? Tsy mbola ity fanjakana Rajoelina ity velively no hitondra fampihavanam-pirenena raha izao fiaingany aty am-piandohana izao. Mihazakazaka fatratra amin’ny fananganam-pahavalo ka toa adino fa nisy velirano natao teto, nisy fampanantenana natao, saingy tsy mbola miditra amin’izany aloha hatreto fa ny mijapy masinina sy mirehareha amin’ny nataon’ny teo aloha aza no natao. Ny olana ara-tsosialy tsy hita izay tena vahaolana satria tena mirongatra ny valan’aretina kitrotro izay efa nahafatesana olona 312, ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny vao mainka mihamafy, ny delestazy dia zary lasa fiainana andavanandro… saingy tsy misy apoaka ilay fanjakana eo anatrehan’ireny, fa henjana sy tena mafy kosa amin’ny fananganam-pahavalo ka manomboka io ny fanagadrana sy fanenjehana, indrindra fa ho an’ny tsy mitovy hevitra ara-politika aminy. Ao anatiny anefa, dia toa efa mikorontandrotana toa ny sasany efa manao don-tandroka fa handrotsaka kandida depiote ary ampian-tafika tsy ampian-tafika na samy manohana an-dRajoelina aza. Mety natao ihany koa anefa ireo toe-javatra sasany mba hitarihana ny sain’ny rehetra tsy hifantoka any amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Ny zavatra hita aloha, dia miseho hatrany ny porofo maneho fa tsy mbola mahazaka firenena sy tsy mahafehy ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fanjakana ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.