Politique

Iraky ny Vondrona Afrikanina, SADC… Manafintohina


  • Zoma 12 Jolay 2013

Miakatra ny maripana. Omaly no nanomboka nihaona tamin’ireo vondrona politika ny iraky ny Vondrona Afrikanina (CPS), SADC, COI-OIF

Teny amin’ny hotely Colbert tahaka ny mahazatra no nandraisana misesy ireto mpanao politika ka anisan’izany ny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana izay notarihan’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Atoa Mamy Rakotoarivelo. Mampalahelo ihany ny fandehan’ny raharaha, hoy ity farany satria tahaka ny hoe : miteny fotsiny izahay, fa efa manana ny eritreriny ny mpanelanelana, ka nanamafy fotsiny izay tapaka tany Addis Abeba tamin’ny 26 jona lasa teo. Tsy inona moa izany fa dia ny fanerena ireo kandida telo mba hitsoaka an-daharana sy ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES). Niezaka nanazava ihany izahay, hoy ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, saingy toa tsy nisy nilana izany fanazavana izany intsony satria efa raiki-tapisaka ao an-dohan’ireto iraka ireto ny fehin-kevitra tapaka tany Addis Abeba.

Nilaza ry Joaquim Chissano sy ny ekipany, hoy ihany izy fa tsy nahafeno ilay fepetra tokony hipetraka enim-bolana eto Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana, koa dia izay no antony tsy hanekena ny filatsahan-kofidiany ka hanerena azy hisintaka. Tsara homarihana anefa, hoy i Mamy Rakotoarivelo fa amina fotoana mandalo krizy tahaka izao, dia tsy azo ampiharina bontolo izany ny lalàna fa tsy maintsy jerena foana ny lafiny ara-politika. Misy fotoana ny fitsarana manafaka olona, noho ny fisalasalana, hoy i Mamy Rakotoarivelo, fa tsy mionona tanteraka amin’ny andinin-dalàna izany fotsiny. Manaiky ny hanamboarana ny firafitry ny CES ny ankolafy Ravalomanana, fa mitsipaka kosa ny hanovana ny didim-pitsarana efa navoakany tamin’ny 3 mey 2013 teo, momba ireo kandida ho filoham-pirenena 41 mianadahy. Taorian’i Andry Rajoelina ny alarobia hariva dia kandida faharoa, amin’ireo telo teren’ny iraisam-pirenena hisintaka, tokony ho nihaonan’ireto iraka vahiny ireto Rtoa Lalao Ravalomanana.

Teny Faravohitra no voatondro hihaonana omaly hariva, saingy niandry vasoka teny ity kandida ity sy ny ankolafy Ravalomanana manohana azy. Mahatsiaro ho tafintohina ireto farany manoloana izany, satria fihetsika tsy misy fanajana ray aman-dreny no nataon’ireto vahiny ireto, sady tsy mampilaza no miovaova hevitra toa mamilafila. Hentitra i Mamy Rakotoarivelo nilaza fa hamafisin’izy ireo ny maha kandida an’i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary tsy hisintaka izany. Notsiahiviny fa raha tena nandray ny andraikiny ny SADC tsy ho toy izao ny zava-misy. Maninona no tsy nampiharina ny sazin’ireo 109 araka ny lisitra navoakan’ny CPS tamin’ny volana martsa 2010 ? Inona no nataon’ny SADC manoloana ny tsy fanajana ny fampiharana ny tondrozotra toy ny andininy faha-16, 17, 18, 20 ? Koa maninona ankehitriny no manao mizana tsindrian’ila manao tery vay manta hanilika kandida ? Omaly ihany moa dia efa nandefasan’ny ankolafy Ravalomanana taratasy milazalaza izany ireo delegasiona mpanelanelana vahiny.

 

Rava maina

Fa nifandimby nihaona tamin’ireo iraka vahiny ireto teny amin’ny hotely Colbert ny avy amin’ny foloalindahy, izay tsy nahitan-teny taorian’ny fihaonana. Teo koa ry zareo “Collectif des candidats”, ny mpanao sonia ny tondrozotra, ireo avy amin’ny andrimpanjakanan’ny tetezamita ka namarana azy ny delegasion’ny CENI-T notarihin’ny filohany, Atallah Béatrice. Naharitra adim-panantaranandro roa sy sasany ny fihaonana tamin’ireto farany. Araka ny loharanom-baovao dia nafana ny adihevitra tao, satria dia tsy nanaiky lembenana amin’ny tsindry ataon’ny iraisam-pirenena koa ny CENI-T. Nivadika resaka politika mihitsy aza ny fifandaharan’ny roa tonta, raha tokony hijanona amin’ny lafiny teknika, ary dia rava maina ny fihaonana ary hita ho nivoaka sempotra ihany ireo mpanelanelana vahiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT