Atoa Marc Ravalomanana no nampahafantatra an’io, raha niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana nandritra ny hetsiky ny Vondron’Olontsotra Faritra Atsinanana, tao Toamasina omaly alahady 04 septambra tolakandro.
Ity iraky ny Troika avy amin’ny SADC ho avy ity moa dia fanatanterahana ny tapak’ireo filoham-pirenena nandritra ny fihaonambe faha-31 nataon’ny SADC tany Luanda ny 17 sy 18 aogositra teo, hanohizana ny asa fanelanelanana hamahana ny krizy eto Madagasikara. Misy ny tondrozotra efa voarafitra, ka taorian’ny fihaonana tao Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona 2011 dia eo amin’ny fanitsiana ny dingana misy azy io amin’izao fotoana izao, mialoha ny hirosoana amin’ny fanaovan-tsonia ka fampiharana azy.
Nandritra ity hetsiky ny Vondron’Olontsotra omaly tao Toamasina ity no nilazan’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny teny feno fahatokisana fa tsy misy zavatra miova fa tsy maintsy mody izy, ka miantso ny firaisankinan’ny rehetra sy fahasahiana, hanampiana ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanafaingana ny fanatanterahana io tondrozotra nasiam-panitsiana io. Nanamafy izay antso hisian’ny firaisankina izay, Ranaivoson Henri Roger, ‘Chief of staff’ teo aloha, ary iraka manokan’ny Filoha Ravalomanana amin’ny fanaovana fandresen-dahatra ireto filoham-pirenena eo anivon’ny SADC sy ny vondrona Afrikanina ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mikasika ity fandaminana ny krizy eto Madagasikara ity.
Aoka tsy horebireben’ireo namana nisintaka, hoy izy, fa ny Tiako I Madagasikara dia tokana ary tarihin’ny filoha Marc Ravalomanana, tokana ihany koa ny Ankolafy Ravalomanana, tarihin’ny filoha Marc Ravalomanana. Nanamafy Ranaivoson Henri Roger fa tsy maintsy mody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana, ary mampanantena fa hitohy ary ho avoavo kokoa ny asa fampandrosoana nataony. Marihina fa ny sabotsy 03 septambra dia efa niditra an-tariby nivantana nandritra ny hetsiky ny Rodobe tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, koa ny filoha Ravalomanana, nanaovany antso amin’ireo milaza ho mpitondra eto Madagasikara mba tsy hanararaotana ny fahantran’ny Malagasy amin’ny resaka hambo diso toerana fa vao mainka mampikatso famahana ny krizy. Raha samy hiziriziry eto, hoy ny filoha Ravalomanana dia Malagasy izay efa fadiranovana amin’ny tsy fandriampahalemana, sy ny tebiteby lava no hizaka ny ngidiny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.