Omaly hariva ihany dia efa nihaona tamin’ny CENI-T teny Alarobia ireo ny ampahany tamin’ireo iraky ny SADC tonga eto amintsika, anisan’izany ny Profesora Gerhard Todemege, Andriamatoa isany Renaud Bernardin sy Balol Sergio ary i Orlanda Rafael.
Ralaiariliva Ndriana Mamy, filoha lefitry ny CENI-T no nandray azy ireo noho ny tsy maha eto an-toerana an-dRamatoa filoha Atallah Béatrice. Namelabelatra tamin’ireto vahiny ireto ny fizotry ny fiomanana ny fifidianana ny CENI-T sy ny tontolo manodidina izany fifidanana izany, karazana resaka sy fifanakalozan-kevitra ary fampitam-baovao fotsiny moa no natao teny Alarobia io omaly tolakandro io fa tsy hoe nisy fanapahan-kevitra be noraisina. Na izany aza anefa dia misy antony manokana matoa nivantana avy hatrany teny amin’ny voamieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana mandritra ny tetezamita ireto delegasiona avy amin’ny SADC ireto ; ny SADC izay tsy mahalala afa-tsy ny tondrozotra mba hamahana ny krizy ary hatreto aloha dia mandrisika hatrany ny hanajana ny tetiandrom-pifidianana. Tsara ho marihana ihany koa fa nampanantena hanome vola 10 tapitrisa dolara ny SADC mba hanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara ; saingy hatreto aloha dia mbola nijanona ho fampanantenana fotsiny ihany izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.