Politique

Iraky ny OIF Nihaona tamin’ireo vondrona nanao sonia tondrozotra


  • Alakamisy 08 Martsa 2012

Nihaona tamin’ireo iraky ny OIF tetsy amin’ny Carlton ireo vondrona nanao sonia ny sori-dalana omaly.

 Manao tombana ny fampiharana ny tondrozotra no anton-dian’ity iraka tarihin’ny praiminisitra tôgôley teo aloha, Edem Kodjo, eto ity. Samy nilazalaza ny fahitana izany ny vondrona isanisany. Somary nametraka olana ny solontenan’ny antoko Monima omaly izay nitaky ny horaisina mitokana. Ny Escopol dia manamafy fa ny sori-dalana no lalana azo antoka hitondra mankany amin’ny fifidianana ka io ihany no izy. Hanolotra fehinteny ho an’ity iraka ity ny ankolafy Ravalomanana. Mialoha izany anefa dia efa nambaran’izy ireo omaly ny fitsabahan’ny fiadidiana ny tetezamita amin’ny fanendrena olona anaty rafitry ny tetezamita, toy ny nahazo an-dRalitera farany teo, izay natolotry ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana hisolotena azy ao amin’ny CENIT saingy notsipahin’ny tao Ambohitsorohitra ary nosoloina olon-kafa. Nitrangana fitsabahan’andraikitra toy izany koa tamin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT