Politique

Iraky ny Kongresy Amerikanina Nodinganiny ny FAT


  • Alatsinainy 09 Jolay 2012

Nifarana omaly ny dian’ny delegasiona avy amin’ny Kongresy amerikanina, rehefa naharitra hateloana.

 Nandalo niserana ihany izy ireo teto saingy toy ny tefa-tsofina ho an’ny mpitondra FAT ny fandalovany, satria sady tsy nanao manahoana no tsy nanao veloma an’i Andry Rajoelina ry zareo. Fitondrana sady tsy ankatoaviny no tsy fantany no misy eto araka ny nambaran’ny lehiben’ny delegasiona, David Draier. Parlemantera avy amin’ny antoko Demokraty sy Repoblikanina miisa 6 tao anaty delegasiona izay nahitana mpikambana 22 ireto tonga ireto. Fiaramanidina manokana an’ny tafika amerikanina no nitondra azy ireo. Na izay endrika izay fotsiny dia efa fambara zavatra. Azony natao ny nandray fiaramanidina manokana an’ny sivily, fa matoa nisafidy ny an’ny tafika amerikanina dia azo heverina fa tsindry mba tsy hilazana fa valin-kafatra amin’ny Frantsay mihalohalo ao Antsiranana ny azy ireo. Matoa nandefa iraka manokana taty koa ny Amerikanina dia mazava fa manao tsindry hamahana ity fiziriziriana amin’ny famahana ny krizy malagasy izy.

Nony tonga teto koa mantsy ny delegasiona dia nametraka mazava fa tsy mankato ny fitondran-dRajoelina, ka tsy manam-potoana hihaonana aminy akory, fa izay nifanarahana ka ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena araka ny tondrozotra ihany no nihaonan’izy ireo sy nifampidinihana mikasika ny demokrasia, ny zon’olombelona ary koa ny fanjakana tan-dalàna ankoatra ny tontolo iainana. Nitsidika ara-pomba fifanajana ny praiminisitra Omer Beriziky teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo izy ireo ny sabotsy 07 jolay teo. Nampirisika ny praiminisitra hanohy ny fampiharana ny tondrozotra izy ireo, hirosoana mankany amin’ny fanomanana fifidianana madio, mangarahara, demokratika, eken’ny rehetra.

Voaresaka betsaka koa ny demokrasia sy fahalalahana maneho hevitra ary ny manao fihetsiketsehana. Nohamafisin-dry zareo io nandritra ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo tetsy amin’ny Carlton io sabotsy io ihany.  Mikasika ny demokrasia dia nanindry mafy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny latsa-bato koa ireto delegasiona ireto satria dia manan-danja ny vaton’ny tsarairay. Taorian’ity fihaonana ity dia nanipika mazava ny praiminisitra Beriziky, fa dia zava-dehibe ny hanarahana ny tolo-kevitr’ireo manampahaizana momba ny fifidianana nalefan’ny Firenena Mikambana teto, ny hampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka amin’ny volana mey na jona 2013.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fanamafisana orina ny andrim-panjakana demokratika manerana an’i Afrika ny dian’ireto delegasiona avy amin’ny Kongresy Amerikanina ireto. Nihaona tamina mpanao politika vitsivitsy izy ireo niresahana amin’ny tokony hiverenan’i Madagasikara amin’ny fitondrana tantanan’ny governemanta voafidy tamin’ny fifidianana neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sady nohamarinin’ny mpanara-maso mahatoky ho nalalaka, ara-drariny ary nangarahara. Noresahin’izy ireo ny amin’ny fanjakana tan-dalàna, ny zon’olombelona ary ny fanondranana olona an-tsokosoko. Ankoatra izay dia nihaona tamin’ny fiarahamonim-pirenena, mpandraharaha ary diplomaty ny delegasiona.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Fihaonan’ny delagasiona tamin’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer teny Mahazoarivo (sary : Primatiora)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT