Politique

Inspection Générale de l’Etat Misavorovoro noho ny ady boaty koa


  • Zoma 23 Desambra 2011

Miseho lany koa amin’izao ny ady tombontsoa manokana eo anivon’ny mpanamarin’asam-panjakana na ny Inspection Générale de l’Etat (IGE).

 Tamin’ny septambra 2011 iny no efa taratra io ady boaty io saingy niharihary izany nanomboka ny tapaky ny volana oktobra rehefa nisy fikasana hametraka tale jeneraly mpisolo toerana teo anivon’ity anivon’ity sampan’asam-panjakana iray anisan’ny antoky ny fisian’ny fanjakana tsara tantana ity. Miantraika any amin’ny asa aman-draharaha izy ity ankehitriny, satria dia misy ny efa manindry aloka na tsy manana fahefana aza. Mandeha koa ny teny fanivaivana avy ao anatiny sy avy aty ivelany ataona sendika izay ahiana hampitombo ny fifandrafiana eo amin’ireo sokajin’asa roa mandrafitra ny IGE ary koa mety hampihena ny risi-pon’ny mpiasa. Vokatr’ireo dia mikatso ny asa aman-draharaha eo anivon’ny IGE. Ny fisafoan-draharaha, indrindra ny fanamarinana ny fitantanana eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra sy izay mety ho asam-panjakana no andraikitra sy iraka ampanaovina ny IGE. Zara raha misy anefa io iraka io mba tsy hilazana fa mihantona, noho io disadisa anaty ateraky ny ady boaty io ihany.

Ny tena zava-doza aza dia misy fisafoan-draharaha efa vita ary tokony namoahana tatitra nefa dia mihantona tsotra izao izany. Misintona ny saina aman’eritreritra ihany ny fisian’izany ary mampametra-panontaniana hoe : inona no antony tsy amohana ny tatitra, manohintohina tompon’andraikitra ambony sa afenina mba hatao takalo amin’ny fitakiana tombontsoa manokana ? Raha itsy voalohany no antony dia mazava fa mifono politika, ka aiza ny etika amin’izany. Maromaro rahateo ny dosie mafana, indrindra mahakasika ny fanodinkodinam-bola amina miliara eny anivon’ny andrim-panjakana eny tato anatin’izao tetezamita izao. Nisy tamin’ireny no efa nivoaka an-gazety, ary mbola tononkira isan’andro amina radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra eto tato ho ato. Raha ampiasaina hitakiana tombontsoa manokana kosa no tsy amoahana tatitra, dia tsy mahagaga raha marary toy izao ny IGE. Sampan’asa eo ambany fiahian’ny Prezidansa ny IGE ka dia manana andraikitra hitady vahaolana malaky amin’izany ity farany. Hanaraka akaiky ity raharaha ity rahateo ny Tia Tanindrazana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT