Politique

Inspection Générale de l'Etat (IGE) Mitohy ny fitokonana, mikatso ny raharaha


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Tsy hitsahatra ny fitokonan’ireo mpiasa mpanatanteraka eo anivon'ny Inspection Générale de l'Etat (IGE), raha tsy voavaly ny fitakiana rehetra nataon'izy ireo hatramin'izay.

 Anisan'izany ny tsy hanoloana ny mpitantana amin'ny iray amin'ireo inspektera jeneraly 5 izay namorona ady tamin'ny tale jeneraly, noho ny fikasana haka seza. Araka ny fanazavan’izy ireo, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina omaly, dia nisy inspektera nanao fanadihadiana mikasika fanodinkodim-bola tao amin'ny fiadidiana ny tetezamita, nefa tsy mbola nanao ny tatitra mikasika izany mandrak'androany. Tatitra izay ataon'ireto inspektera ireto fitaovana entina hanaovana takalon'aina ny fanalana ny tale jeneraly amperinasa eo amin'ny toerany. Tsy azon'ireo mpiasa mpanatanteraka antoka intsony raha ny nambarany ireo olona ireo. Raha ny fanamafisana azo mantsy dia sady mandrahona no manao fandemen-tsaina izy ireo. Ny nahagaga ireo mpiasa koa dia ny namoahana didim-panjakana milaza fanafoanana ny fanendrena ny tale jeneraly am-perinasa ary manendry ny solony izay natao nifanandrify indrindra amin'ny fanatanterahana ny “colloque” ho fanatsarana ny sehatr'asa eo anivon'ny IGE. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo satria naseho an-tanana, “photocopie non certifiée”, tsy misy “bordereau d'envoi” ary tsy misy “notification officielle”. Misintona ny sain'ny tompon'andraikitra, araka izany, ireto mpiasa mpanatanteraka eo anivon'ny IGE ireto, mba handroso vahaolana maharitra amin'ny olana misy amin'ity sampandraharaham-panjakana ity. Mirary ny hihaona amin'ny tompon'andraikitra mahefa sy mahatapaka ahitra ihany koa aza.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT