Politique

Inona no takalony ?


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Raikitra izany fa dia amin'ity anio ity amin'ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara no hihaona amin'ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy ao amin'ny Lapan'i Elysée ao Paris ny Filohan'ny fitondrana tetezamita Andry Nirina Rajoelina.

Ity no fitsidihana firenena amin'ny fomba ofisialy voalohany nataony hatramin'izay nahatongavany teo amin'ny fitondrana tamin'ny 17 martsa 2009, ary filoham-pirenena voalohany nandray azy tamin'ny fomba ofisialy koa ingahy Sarkozy. Tsy tongatonga ho azy izao fitsidihan'i Andry Nirina Rajoelina any Frantsa izao fa manaraka tetiandro mazava satria mitranga taorian'ny nanasoniavana ny sori-dalana, ka nitsanganan'ireo rafitra tetezamita tahaka ny Governemantan'ny firaisam-pirenena sy ny Parlemantan'ny tetezamita. Vavolombelon'izany rehetra izany ny sehatra iraisam-pirenena tamin'ny alalan'ny Troikan'ny SADC, ary na dia tsy mbola nisy aza ny fanambarana an-taratasy amin'ny fomba ofisialy dia mazava ny resaka fa efa azo amin'ny ampahany ilay fankatoavana iraisam-pirenena ary efa filoham-panjakana ara-dalàna i Andry Rajoelina.

Voalaza moa fa manodidina ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta no votoatin'ity fihaonana ity ary hisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'i Frantsa sy Madagasikara, asa fampandrosoana moa no filaza azy. Ity sonia ity no manitikitika ny saina hoe inona marina no tena tiana hahatongavana aminy, sao lahy dia ilay "Accord de coopération" ho amin'ny 50 taona manaraka indray io. Teo anilan'ny FAT notarihan'i Andry Rajoelina foana ny Frantsay ary efa hatramin'ny 2008 mihitsy no nanohana sy nanampy azy. Azo antoka fa tsy maimaimpoana izany rehetra izany fa tsy maintsy misy takalony.

Nanohintohina ny tombontsoan'ny Frantsay teto ingahy Ravalomanana sy ny fitondrany, ka izay no nandrodanana azy. Zovy ihany koa no tsy mahalala fa tsy dia nifankahazo tsara tamin'ny Frantsay ity filoha teo aloha ity. Mifanohitra tanteraka amin'izany kosa Atoa Andry Rajoelina izay tena tsara resaka tokoa amin'ny mpitondra frantsay, farafahakeliny dia in-droa isan-taona izy no mankany Frantsa nanomboka tamin'ny 2007 ary na dia fitsidihana tsy ofisialy aza no ataony any dia mihaona amina olona akaikin'ny filoha Sarkozy foana izy, anisan'izany ohatra Atoa Claude Guéant mpanolotsain'ny filoha Sarkozy. Inona marina no votoatin'ilay fifanarahana hosoniavin'ny roa tonta anio alina, ho hita eo ny fampitam-baovao matotra avy amin'ny fiadidiana ny Fahefana avon'ny tetezamita momba izany, fa tsy sanatria ho tompon-trano mihono amin'ny raharaham-pirenena ny Malagasy izay tokony hahalala tsara io fifanaraham-piaraha-miasa vaovao miaraka amin'ny Frantsay io.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT