Politique

Inde sy Madagasikara Hihamafy hatrany ny fifandraisana


  • Zoma 16 Martsa 2018

Nifarana tetsy amin`ny Oniversite an`Ankatso ny fitsidiam-panjakana nataon`ny Filoham-pirenena Ram Nath Korvind teto Madagasikara. Nandritra ny lahateny manoloana ny mpianatra dia nanambara ny filoha Ram Nath Korvind fa nampiraisin’ny tantara i Madagasikara sy Inde ary mivelatra hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.

 

 Famelabelaran-kevitra momba ny tantara iraisana no tena anton’ izany fifampizaràna izany teo amin’ny Filoham-pirenena Indiana izay manam-pahaizana manokana amin`ny lalàna sy ireo mpampianatra sy mpianatra tonga nanatrika izany tetsy amin’ny efitrano malalaky ny sampam-pianarana DEGS teny Ankatso omaly. Noresahiny tao ihany koa ny fanomezan’i Inde vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy miisa 365 hatramin’izao, ny fanohanan’ny Inde eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara, ny angovo sy ny maro hafa. Nanamafy ihany koa izy fa misedra olana ny  angovo ary manerana an’i Afrika sy ny firenena amin’ny fari-dranomasina Indiana. Anisan`izany i Madagasikara ka tafiditra ao anatin’ilay tambajotra lehibe « International Solar Alliance » izay afaka manohana ny tetikasa fitrandrahana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ka ny Institut National de l’Energie any Inde no miandraikitra izany.  Mbola maro ny traikefa tian’ny indiana zaraina amin’ny malagasy mba ho tombony amin’ny fampandrosoana. Manantena hatrany izy fa haharitra hatrany ny fifandraisana eo amin’i Inde sy Madagasikara. Mialohan’izany kabary lahateny izany dia namboly zana-kazo manoloana ny « faculté DEGS » ny Filoha Ram Nath Korvind, ho fahatsiarovana ny fandalovany teto. Notoloran’ny Oniversiten’Antananarivo zana-kazo baobab ihany koa izy mba ho amboleny any Inde ho fahatsiarovana ny diany teto Madagasikara.


 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT