Politique

Imerintsiatosika Nibaradaka Rajoelina


  • Alatsinainy 15 Aprily 2013

Raha efa elaela tsy hita tamina fihaonana mivantana tamin’ny vahoaka ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina dia mba niseho masoandro indray omaly, tamin’ny fitokanana ny Tranompokonolona vaovao ao Imerintsiatosika.

 Telo volana no naharetan’ny asa ary mitentina 73 tapitrisa ariary ny vola lany. Nampanantena ny filohan’ny tetezamita fa dia mbola amboarina ihany koa ny CEG any an-toerana. Nanao karazana antso ho amin’ny firaisankina sy firaisantsaina, i Andry Rajoelina omaly io. Tsy fandresen’olon-tokana fa fandresen’ny fokonolona no tena zava-dehibe, hoy izy. Nanaitra ihany koa ny nitenenany hoe : aza sakanana ny olona hanatona ny filohan’ny tetezamita.

Raha adika izany dia mahatsapa izao i Andry Rajoelina fa misy olona manampahefana manakana ny olona tsy hihaona sy hiresaka aminy. Raha izay no izy dia mitombina tsara ihany ny resaka fa misy amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina ao an-dapa no manana tetika hampitoka-monina azy. Mila miray hina sy miray saina ary mifanome tanana isika  dia handresy i Madagasikara, hoy ny filohan’ny tetezamita. Mazava ny resaka eto fa dia miboredika amin’ny vahoaka i Andry Rajoelina fa tena misy mpamadika ao an-dapa ary tanjon’ireo mpamadika ireo ny fampitokana-monina azy tanteraka mba tsy hahafantatra ny zava-misy marina sy tsy hifanerasera amin’ny vahoaka. Tsy olon-kafa fa ny mpiara-miasa akaiky aminy, ireo tandapa no miketrika izany rehetra izany. Io ilay efa nambara teto hoe : izay no vita ny aminy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT