Nanomboka nandray ny asany amin`izay ny filoham-pirenena vaovao ary miandry ny fanovana izay heveriny fa mety ho an`ny firenena.
Misy ireo mahamaika sy laharam-pahamehana tokony hapetraky ny filohan`ny Repoblika vaovao, hoy i Imbiky Herilaza, mpitsara. Tokony hametraka ny filoham-pirenena “urgences sociales” ao anatin`ny iray volana hatramin`ny telo volana izy. Eo ihany koa ny fifehezana ny vidim-piainana na fampidinana hatrany ny vidim-piainana. Ny laharam-pahamehana kosa dia fitandroana ny filaminana na eto an-drenivohitra na ambanivohitra, hoy ihany izy. Nilaza ihany koa izy fa tokony hiroso amin`ny fametrahana ireo rafitra rehetra izay handrafitra ny fanapariaham-pahefana ny filoha vaovao. Mahakasika ny fitantanana ny firenena kosa dia tokony hisokatra amin`ny fananganana ny ekipa vaovao hitondra ny tany sy firenena na ny governemanta na amin`ny sehatra maro samihafa. Tokony hisokatra amin`ny ankolafin-kery hafa ve ny filoha vaovao mba ahafahana mihaino ny hafa izay manan-jo hohenoina sy hitantana ny ampahan`ny firenena ? Tokony hahay misafidy tsara izay olona vonona hiara-kiasa aminy akaiky satria amin`ny maha filoha azy izay dia izy no mitantana fa ny mpiara-miasa sady ahitan`ny vahoaka ny sary amin`ny fitondrana ary ireo no tena hanatanteraka ny baiko sy ny vina izay napetraky ny filoha vaovao. Notsipihan`i Imbiky Herilaza kosa ny teo amin`ny lafiny politika. Mazava ny apetraky ny lalàmpanorenana fa misy ny atao hoe “statut de l`opposition”, izany hoe manan-jo hivondrona ary hajain`ny lalàmpanorenana ny fisian`ny mpitarika ho mpanohitra. Tsy tokony hosakanana ihany koa ny fahefana mitsikera, fahefana maneho hevitra sy ny fahefana mitondra ny anjara birikiny amin`ny fitantanam-pirenena satria izay no ahafahana manitsy izay tsy nety teo aloha, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.