Politique

Imbiki Herilaza « Lesoka amin’ny Diplaomasia ny tsy fahasahiana »


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Teboka lehibe telo no azo voizina mahakasika ireo masoivoho efatra voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo araka ny hevitr’i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna.

 

 

 Voalohany dia efa mazava ny filamatry ny minisiteran’ny raharaham-bahiny fa ny diplaomasia ara-toekarena izany. Nilaza izy fa ireo olona voatendry ireo dia efa zatra  amin’ny asam-panjakana ambony. Olona mahafehy ihany koa ny fiarovana ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy any amin’ny sehatra ambony iraisam-pirenena. Faharoa, hita taratra ny fivelarana amin’ny fanendrena ambasadaoro. Aza hadinoina fa ny hafatry ny Papa Ray Masina nandritra ny fandalovany teto Madagasikara dia « aza mitondra tokana fa mila misokatra ». Nomarihany fa ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky dia kandidà nifanandrina tamin’ny filoham-pirenena nandritra ny fihodinana voalohany. Misy tokoa ny fametrahana izay fisokafana izay amin’ny fanendrena. Farany dia ny fanadiovana ny fitantanana ao anatiny any amin’ireny masoivoho ireny. Mihoapampana ny tombontsoa sy karama raisin’ireny olona voatendry taloha ireny, hoy izy. Misy no nikarama 120 tapitrisa ariary iray volana ka raha ao anatin’ny enim-bolana fotsiny no raisina ny politikan’ny fanadiovana any amin’ny masoivoho dia 12 miliara ariary sahady no tahiry ho azon’ny fitondram-panjakana. Matoa ireo olona efatra ireo no voatendry ho masoivoho dia mamaly ny fepetra voalaza teo, hoy hatrany i Imbiki Herilaza. Nitondra ny heviny kosa izy mahakasika ny lesoky ny diplaomasia ka nilazany fa tsy ampy ny fahasahiana mampahafantatra an’i Madagasikara sy ny tombontsoa ara-toekarena eto Madagasikara. Mila mpamatsy vola sy mpandraharaha vahiny isika amin’ilay famatsiam-bola vahiny mivantana « investissement direct étranger ». Ohatra amin’ny lafiny fizahantany, miandrandra hampiditra 500 000 mpizahatany amin’ny fotoana farany izay fohy ny fanjakana dia anjaran’ireny masoivoho ireny no manao izany sady eo koa ny fiarovana ny tombontsoan’ireo Malagasy monina eny amin’ireny firenena ireny, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT