Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.
Ilaina ny firaisankinam-pirenena, hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna. Tsy amin'ny lafiny politika na zavatra hafa fa ho an'ny tombontsoa ambonin'ny Firenena, hoy ihany izy. Rehefa ny filohan'ny Repoblika no maneho fahasahiana sy fahavononana hitaky sy hanandratra ny fiandrianampirenena dia manomboka mitraka ny firenena. Mavesa-danja sy mafonja ny delegasiona izay tarihin'ny praiminisitra, lehiben'ny governemanta. Tsy ho mora na ny fifampidinihana, indrindra ny fihantsiana sy ny ady an-kolaka. Mila mahatsapa isika rehetra fa izay mitambatra vato izay misaraka fasika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.