Nifanesy nanao fanambarana ireo mpanao politika miara-dia amin’ny FAT, fa tsy mbola fotoana hiverenan’Atoa Ravalomanana izao.
Tsy nijanona teo fa dia nohetsehina indray koa ny tafika, ary nasaina nilaza fa mety hitondra korontana ka tsy tokony mbola hody aloha ny filoha Marc Ravalomanana. Omaly indray dia olon-tsotra no nampiasaina. Nisy andian’olona nasaina nanemitra ny sisin’ny arabe sasantsasany tamin’iny lalana mihazo an’Ivato iny, nilanja sorabaventy milaza ny tsy fankasitrahana ny fiverenan’ny filoha eto aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Nifanandrify indrindra tamin’ny fahatongavan’ireo delegasiona minisitra avy amin’ny Troika SADC ity hetsika ity. Tsy hoe olona nasesi-javatra ka tonga ho azy teny Maibahoaka sy Antanetibe ary Ivato teny izy ireo fa efa nahalala mialoha ny fahatongavan’ireto delegasiona ireto, ary efa nahazo toromarika ihany koa mba hanamboatra sorabaventy tamin’ny fiteny vahiny.
Omaly hariva ihany dia efa nisy ny resaka nivoaka fa mpianatra avy eny Ambohipo, Ankatso nokaramaina 10.000Ar sy 15.000Ar isan’olona ny sasany tamin’izy ireo. Olona efa sahirana amin’ny fitadiavana izay hanin-kohanina izao koa tsy hisy handany andro eny raha tsy nahazo vola. Tao ireo avy eny
Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : fa tena atahorana tahaka ny ahoana mihitsy ingahy Ravalomanana no amoronana izao tetika sy paika reheta izao e ? Fa inona foana ity ambara lava hoe hikorontana ity ? Hilamina tsara ve ny eto raha toa ka sakanana lava tsy avela ho avy eto ity filoha teo aoha ity ? Afaka nanao izay tiany natao ireto mpanao fihetsiketsehana omaly ireto, ary ireny izany ilay dradraina fa vahoaka (maro) tsy mankasitraka ny fiverenan’i Dada eto ! Asa aloha raha azo ampitahaina tamin’ny (andiana) olona tonga an-tsitrapo hitsena ny filoha Ravalomanana teny Ivato ny sabotsy 19 febroary 2011. Na izany aza mampamatre-panontaniana hoe raha ny Ankolafy Telo na Rodobe moa no teny nanao toa azy ireo omaly, inona no nitranga ? Ny azo antoka fa dia lakrymôzena miharo fisamborana avy hatrany... Na izany aza dia maro no mahita fa tena matahotra an’i Marc Ravalomanana ny FAT ka hanao izay rehetra azony atao hanakanany fiverenany, arakaraka ny hanaovany izany anefa no mampitombo hery hatrany ity filoha teo aloha ity, na eto an-toerana io na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka tokony hieritreritra ny FAT raha mikendry ny tombontsoam-pirenena marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.