Politique

Iles Eparses, Rova, Kianja Mahamasina 4 volana sisa ananan’ny fanjakana


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Mandeha ny ora sy ny fotoana, ary mihazakazaka tahaka izany ny raharaham-pirenena.

 

 

 4 volana eo sisa dia ho tonga ny fanamarihana ny faha-60 taona nahazoantsika ny fahaleovantena. Maro ny fanamby nambaran’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa hotanterahina toy ny fanavaozana ny Rovan’i Manjakamiadana, izay famaranana ny asa sisa no atao, fa ny asa lehibe (gros oeuvres) dia efa vita tany amin’ny 12 taona lasa, ary nikatso noho ny krizy nisy teto amin’ny firenena tamin’ny 2009. Eo amin’ny lafiny diplomasia ihany koa dia nolazaina fa hivoaka mialoha ny 26 jona 2020 ny fehin-kevitra momba ny famerenana ny Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay ka ho hita eo ny vokany. Efa navoakan’ny Firenena Mikambana tany amin’ny taona 1979 ny didy ny maha antsika madiodio ireo Nosy, ka azo hadika ho famadihan-tanindrazana ny mety ho politikan’ny mitifitra lanitra hahavoazana tendrombohitra amin’ny mety ho fanekena fiaraha-mitantana (co-géstion). Andrasana ny vokatra satria tsy nisy tohiny intsony ny dinika teny Andafiavaratra ny 18 novambra 2019, izay nambara fa hotohizana any Frantsa. Andrasana ihany koa ny mety ho fahavitan’ny kianjaben’i Mahamasina na amin’ny ampahany aza hiatrehana ny lanonam-panjakana amin’ny fetim-pirenena. Maro ny fanamby natao, ka andrasana eo ny vokatra. Marina fa te hanao zavatra ny filoha, saingy misy ireo zavatra toa mikatso sy toa lasa afo-mololo ka miredareda am-boalohany. Aiza ny tohin’ilay orinasa famokarana ethanol tany Ambilobe nambara fa hotokanana ny 8 desambra 2019 ? Mby aiza ny tohin’ny fametahana ny “puce” ho an’ny omby izay nipoapoaka ny fanombohana tany Tsiroanomandidy ny volana mey 2019 ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT