Nohamafisin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny 13 febroary lasa teo ny hanaovany ho faritra voajanahary harovana (réserve naturelle)
ny Nosy Glorieuses, ka amin’ny volana jona no hanatanterahana izany. Nambarany fa ny taona 2020 dia ho taonan’ny fanapahan-kevitra momba ny harena voajanahary. I Lafrantsa dia mitana ny 10% amin’ny harena voajanahary maneran-tany. Ny ¾ amin’ireo dia amin’ny fari-dranomasina izay lavitra an’i Frantsa, saingy feheziny tahaka ireo Nosy Malagasy izay tsy votsotra aminy hatramin’izao na efa tamin’ny 1979 aza ny fehin-kevitra sady didin’ny Firenena Mikambana mamerina ireo Nosy amin’i Madagasikara. Tsy mbola nandrenesam-peo ny fitondrana Malagasy tarihin’ny filoha Rajoelina taorian’io fanambarana io, na dia nandrasana fatratra aza ny valin-kafatra avy aminy, saingy tsy nisy. Tsy voaresaka ao anatin’io fanambaran’i Emmanuel Macron io akory na resaka fiaraha-mitantana aza, fa tena fihantsiana no nataony izay maneho fa azy ireo madiodio ny Nosy Glorieuses. Ny vavan’ny filoha Malagasy no nilaza fa mialoha ny 26 jona ny fehin-kevitra momba ny fiverenan’ireo Nosy Malagasy, ka dia ho hita eo ny hafitsony. Hatreto, tsy nisy tohiny ilay ambara fa dinika hatao any Frantsa taorian’ny teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny 18 novambra 2019. Tena mihantsy ady amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny vahoaka ny filoha Frantsay satria ny dinika tokony handeha, saingy tsy raharahany fa efa nanapa-kevitra samirery izy. Anisan’ny hitarafana ny tanjaky ny fanjakana Rajoelina sy ny diplomasia Malagasy io resaka Nosy Eparsa io, saingy hatreto aloha tena mahakely finoana sy tsy afa-mikofoka eo anatrehan’ny zava-misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.