Politique

« Iles éparses » Ho azo amin’ny 2020…


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Maro ny fikambanana miady mafy amin’ny fitakiana ireo nosy eparsa, izay mbola eo am-pelatanan’ny Frantsay hatramin’izao na dia ny nivoaka tamin’ny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1979 aza fa an’i Madagasikara ireo nosy ireo.

 Efa misy ihany koa ankehitriny ny hetsika « Tabataba masina », izay mitaky ireo nosy ireo amin’ny fivoizana amin’ny alalan’ny hira ara-pilazantsara ny maha tany manankarena an’i Madagasikara sy ny hananan’ny vahoaka fanantenana fa ho azo tsy ho ela ireo fananany ireo. Ny 33% amin’ny fitakiana no anjaran’ny hetsiky ny « Tabataba masina » ary hanaraka ho azy ny 66% eo ho eo an’ny mpitondra, miainga amin’ny fahendrena izay handeha ho azy rehefa tanteraka ilay 33%, fanalahidy hahazoana ireo nosy ireo.  Ampifandraisin’izy amin’ny tantaran’ny Zanak’Israely niaritra 40 taona tany anaty tany efitra ary niditra tao amin’ny tany vaovao nampanantenaina taorian’ny fahazoana ireo nosy. Efa ho 40 taona ihany koa no nibodoan’ny Frantsay ireo tany ireo ary izay ihany no fe-potoana ahafahan’izy ireo mitazona izany ka ho votsotra mora foana eo am-pelatanan’ny Frantsay. Tsy tongatonga ho azy ireny asa fampihorohoroana nisy tany Frantsa ireny raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpitarika ity hetsika ity, fa zavatra nataon’Andriamanitra hanafahana ireo tany eo ambany ziogan’ny Frantsay sy ho famaizana ity firenena ity. Misy ihany koa ny ambaran’izy ireo hoe anjaran-droa dia ilay isa 20 miverina in-droa ao anatin’ny 2020 ary hiverina in-droa heny amin’ny harena nalaina ny miverina amin’i Madagasikara. Tokony hifaly ny Malagasy fa hanan-karena amin’izay raha ny hevi-dehibe voizin’izy ireo.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT