Miisa 11 ankehitriny ireo lezionera Malagasy ampiambenan’ny Frantsay ireo nosy manodidina (îles éparses) antsika.
Telo izy ireo teo aloha raha ny fanazavan’ny mpandinika raharaham-pirenena, James Ratsima azy. Mbola toy ny tamin’ny andron’i De Gaulle ny politika fandaminan’ny raharaham-pirenena eto amintsika dia ny zarazarao hanjakana. Manakarama Malagasy hiambina ireo tany ireo indray no paika maloton’ny Frantsay. “Fampihavanana inona no ataon’ny Frantsay amin’izany ?”, hoy izy. Araka ny fanamarihany dia ao amin’ny nosy Juan de Nova, izay anisan’ireo nosy manodidina antsika voalaza fa misy harem-be mitentina 500 tapitrisa dolara no hipetrahan’ireo lezionera ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.