Politique

Ihanta Randriamandrato Tsy misy adivarotra intsony fa mody ny Filoha roalahy


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Efa ekena ary tsy misy adivarotra intsony fa miverina ny Filoha roalahy (Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana), hoy Rtoa Ihanta Randriamandrato tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 3 septambra teo.

 Tsy sefom-pokontany anefa ireny ka manana adidy na isika eto an-toerana na ny any ivelany satria sarobidy ireny, ary ireny no afaka hanala an’i Madagasikara anaty krizy, hoy izy. Fa ao anatin’ny fanalana ny krizy izay koa dia eo ny famoahana ny gadra politika, hoy ihany Rtoa Sekretera jeneralin’ny antoko Teza nanohy ny teniny, ary tsy atao ambanin-javatra ny famerenana ny ara-dalàna izay nijoroantsika ary hijoroantsika hatramin’ny farany. Matoa nisy ny fanonganam-panjakana dia tsy nisy fanajana ary nisy tsy fahaizana dia miverina izany amin’izao fikasana hanaovana amboletra sonia hifaranan’ny resaka rehetra izao.

Ny fifidianana ataon’ny mpanongam-panjakana dia tsy hitondra fitoniana fa dia krizy vaovao indray, hoy izy. Toa nanampy izany avy hatrany i Tabera Randriamanantsoa raha nilaza fa mizara roa ny tondrozotra : ny voalohany dia fifanarahana politika izay itambaran’ny mpanao politika na ny olona nahatonga ny olana, ny faharoa indray dia ny faneken’ny Vondrona Iraisam-pirenena hanaraka sy hampihatra ilay fifanarahana, dia avy eo ny sonian’ny rehetra, ka inona ity ambaran’i Andry Rajoelina fa hosoniavina, tsy hiandrasana ny SADC, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT