Hitarika delegasiona hihazo ny nosy Kaomoro ny Minisitry ny fiompiana, Ihanta Randriamandrato, anio.
Fanasana avy amin’ny governemanta Kaomoriana no antony, araka ny fanazavan-dRtoa minisitra. Notsipihiny fa ity Nosy ity no tsena fanondranan’ireo mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana ara-dalàna hanondrana omby velona, niala avy eto Madagasikara. Naaton’ny fanjakana hatramin’ny volana mey 2012 teo anefa io fanondranana omby io, noho izy nahiahiana ho antony mampirongatra ny halatra omby sy ny asan-dahalo any atsimo na koa manome vahana ny fanondranana omby an-tsokosoko. Hatreto anefa, araka ny nambaran-dRtoa minisitra dia tsy mbola nisy nitondra porofo fa nisy tokoa izany. Anisan’ny anton-diany any Kaomoro rahateo ny hijery raha misy omby tsy mazava tonga an-tsokosoko any. Ny fantatra dia any Tanzania ny Kaomoriana no manafatra omby rehefa niato ny famatsiana avy aty Madagasikara. Nijoro niaro ny minisiterany sy ireo mpiompy eo ambany fiahiany manoloana ny fanosoram-potaka Rtoa Ihanta Randriamandrato, Minisitry ny fiompiana omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ampandrianomby. Efa niato ny fanondranana omby ara-dalàna, hoy izy, nefa toa vao mainka mirongatra ny asan-dahalo. Aminy dia tsy asan-dahalo intsony izao miseho izao fa efa endrika fikomiam-bahoaka.
Tsy matoky ny mpitandro ny filaminana ny olona, satria variana amin’ny politika loatra ireto farany ka tsy maharo azy ireo sy ny fananany. Raha ny antontanisa eo am-pelatanan’ny ministera fotsiny, mantsy dia efa 13.875 ny isan’ny omby very, 2691 amin’ireo no tafaverina, raha toa ka maty ny 53, hatramin’ny volana mey 2012 no ho mankaty. Zandary, miaramila, dahalo, olon-tsotra, miisa 266 no namoy ny ainy tao anatin’izay. Ankoatra izay dia mari-pamantarana mifamatotra amin’ny kolontsaina malagasy ny omby, nefa dia izao potika izao, hoy izy. Koa raha tsy misy fandraisana andraikitra mazava ataon’ny governemanta, hoy Rtoa Ihanta Randriamandrato dia hiraviravy tanana ny mpiompy, tsy harisika hiompy intsony, ary dia ato anatin’ny roa taona dia ho ringana ny omby gasy. Nandroso tolokevitra izy ny tokony hiheverana ny halatra omby ho toy ny “loza” mihatra amin’ny firenena ka hanaovana hetsika manokana, toy ny ady amin’ny valala sy ny atao mba tsy ihanahan’ny tsimokaretina Vih/Sida. Ny minisiterany manokana dia efa manana tetikasa maromaro hotanterahina, taorian’ny fahavitan’ny politika nasionaly momba ny omby gasy, natao ny volana martsa 2012 teo, mba hahafahana manaramaso ny omby.
Hisy ny FIB (Fiche individuelle de bovidé”, izay hosantarina any Ihorombe amin’ny 15 septambra 2012, ary heverina hovitaina ao anatin’ny enim-bolana. Eo koa ny fanaraha-maso ny omby, ireo toerana famonoana omby, hisorohana ny famonoana omby vavy mbola tokony hanaranaka sy ny zanak’omby, izay raran’ny lalàna ny famonoana azy. Hanangana OPJ (Officier de Police Judiciaire) ihany koa ny minisiteran’ny fiompiana, mba hahafahany mandraikitra avy hatrany raha misy fandikan-dalàna hita. Ezahina ihany koa ny hahafohy ny lalan’ny omby miala eny amin’ny mpiompy tonga eny tsena mankany amin’ny mpihinana, amin’ny alalan’ny fanorenana abatoara manarapenitra manatona ny faritra tena mpiompy mba hahamora ny fanaraha-maso.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.