Politique

Ignace Randriamamizafy Tanjon-dRajoelina ny hiverina amin’ny manjaka tokana


  • Alakamisy 09 Febroary 2012

Manao dia miverina ny kabarin’i Andry Rajoelina tamin’ny talata 07 febroary teo, hoy ny CT Randriamamizafy Ignace.

 Natao handokafan-tena sy hambaboana fon’ny olona ireny, hoy izy, ka tsy maintsy atao mba ho moramora azon’ireo mpomba azy tsara, toy ny nataony teny an-kianja tamin’ny telo taona lasa (2009). Nambaran-dRajoelina, hoy ity CT ity, fa raha mbola izy no eo dia tsy miverina eo ny filoha Marc Ravalomanana, na tsy sahiny notononina mivantana aza. Mazava ny dikan’izany fa laviny iray ilay tondrozotra. Ny tetika dia hoe : atao izay anosehana ny ankolafy Ravalomanana hametra-pialana ao anaty rafitra ka anisan’ny nentina tamin’izany ny fanakanana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny vadiny tsy hody an-tanindrazana ary ny fisavana ny tranon-janany tany Andranomanelatra farany teo.

Atao izay hahatezitra ny ankolafy dia hiala amin’ny fiaraha-mitantana dia hanondro molotra amin’izay eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ry zareo dia afaka manjaka tokana eo izy. Fantany tsara anefa fa tsy tafavoaka velona amin’izany eo izy. Fantatr’i Andry Rajoelina tsara koa fa tsy tafavoaka amin’izany fifidianana izany izy raha tsy miverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomana mba hisian’ny fitoniana eto. Ny tadiavin’i Andry Rajoelina dia hotaritaritiny amin’izay hitiavany azy eo ny tetezamita, dia mijanona eo sy manao izay tiana eo foana izy na afaka dimy taona na ho folo taona aza. Ka izahay ankolafy Ravalomanana ao anaty fitondrana tsy hoe manara-dia azy fa izahay ilay singa manelingelina ny FAT ka sahirana izy ka soa ihany fa tafiditra tao. Averiko fa raha vao tezitezitra eo ny tena ka hoe hiala dia hanao izay tiany eo ireo amin’ny fanjakana tokana nahazatra azy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT