Politique

Ifandroritana indray ny Escopol Nosoloina an段 Ephraim i Benjamina


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Nilaza ho tsy manaiky ary tsy mankasitraka intsony ny ekipan段 Benjamina Ramanantsoa ireo mpikambana sasany ao amin地y vondrona Escopol toa an段 Ephraim Randrianasolo sy ry Pierre Andrianantenaina ary ireo avy ao amin地y Exopoles miaraka amin段 Cyril Rasamizafy sy ny Escopol 摘xtra-Parlementaires�, tarihan段 Charles Aim� Andriamorasata.

 Tsy mpandrindra intsony i Benjamina Ramanantsoa manomboka izao, hoy i Pierre Andrianantenaina satria mitetika ny hamihina ho azy ireo irery ny vondrona. Araka ny nambarany mantsy dia nisy fivoriambe saika natao ny talata teo tao Tsimbazaza ary nahazoan’izy ireo fiantsoana mihitsy, saingy niova ho fivorian’ireo Escopol parlemantera fotsiny ihany izany avy eo. Amin’ireto tarik’i Ephraim sy Pierre Andrianantenaina ireto dia mandositra fivoriambe ireo tarik’i Benjamina Ramanantsoa. Parlemantera sasantsasany ihany koa anefa no miara-dia amin’ity farany sy avorivoriny etsy sy eroa, araka ny fanazavana ihany.

Tsy eken’izy ireo, araka izany, ny haha fananan’ireo olom-boatendry irery ny vondrona Escopol. Nohamafisin’izy ireo tamin’io fanambarana io fa tsy nisy fitsipika hifamehezana ny Escopol hatramin’izay fa fitsipi-pitondran-tena no nisy tao, izay nofaritan’izy ireo hoe : “11 commandements” na didy 11. Izay rehetra voalazan’ny sori-dalana dia ankatoavinay, hoy izy ireo raha noresahana mikasika ny adihevitra momba ny fanitarana na fanovana ny rafitra ao amin’ny tetezamita. Kanefa tamin’ireo olona izay voatonona anarana etsy ambony ireo dia nisy nanamafy hatramin’ny farany fa mitaky ny hanovan’ny filohan’ny FAT tanteraka ny rafitra rehetra, ary mba asiana sivana izany fa tsy ireo mpikarama an’ady manimba endrika ny fitondrana intsony no hotendrena sy apetraka ao. Izany dia midika fa na izy samy izy nanao fanambarana iraisana aza dia efa mifamingana anatiny ao ihany koa. Taratry ny mety hisian’ny fisintahana hafa ato ho ato indray izany...

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an窶冓 Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT