Politique

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

 

 

 

 

Maninona no tsy naharakotra an’ireo kaominina manerana ny Nosy ny vovonana IRD ? Misy fari-pifidianana, ireo antoko ao anaty vondrona IRD no manana kandidà toa an’ny Malagasy Miara Miainga(MMM). Ny lalàna aloha dia  mazava tsara fa ny antoko ao anatina vovonana iray dia tsy afaka mandrotsaka kandidà ao anatin’ny fari-pifidianana iray. Matoa misy kandidà MMM amina kaominina iray dia  tsy misy IRD. Raha tsy mahafeno ireo kaominina miisa 1695 ny IRD dia  mila mieritreritra izy aloha. Faharoa, raha mijery ny antontanisa ireo kandidà dia maro ireo mpirotsaka hofidiana amin`ny anaran`ny tsy miankina. Raha fehezina dia  ny tsy fahafenoan`ny IRD ireo kaominina ireo sy fahamaroan`ireo kandidà tsy miankina dia milaza fa tsy maharesy lahatra ny IEM (Initiative Emergence Madagascar). Raha naharesy lahatra dia nirotsaka tamin`ny IRD ireo tsy miankina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT