Politique

Iavoloha Niantso ireo miaramila be galona i Andry Rajoelina


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Hivory eny amin’ny lapan’Iavoloha daholo indray ireo mairamila be kintana sy ireo kolonely mitana fibaikoana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny tafika anio.

 Ny antony, araka ny fantatra, dia misy vitsivitsy amin’ireo be galona no tsy manaiky mihitsy ilay tondrozotra natao sonia farany teo. Ny tena marina dia ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana mihitsy no tsy levon’ny vavonin’izy ireo. Tsy mahagaga izao tranga izao satria izy ireo no anisan’ny nanongana ny fitondrana teo aloha. Anisan’ireo tena tsy manaiky amin’izany ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny Tafika ankehitriny. Misy ihany koa ny jeneraly zandary izay fantatry ny maro tamin’ny fiarovana ny FAT tamin’ireo hetsiky ny tia tanindrazana na sivily io na miaramila. Manahy noho izany sao hisy ny fitsimbadihan’ireo miaramila amin’ny filohan’ny FAT ka izao nampiantsoana izao haingana. Azo itarafana ihany koa anefa izany rehetra izany fa tsy matoky ny mpanao politika manohana azy intsony i Andry Rajoelina. Izao fihetsiny izao dia milaza fa aleo miantehitra amin’ny miaramila, toy izay hiditra amin’ny fifanarahana politika hampisy fitoniana. Ho hita eo ny tohiny.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT