Mifandrirotra sy mifanalabaraka any anivon’ny tambajotran-tserasera indray ankehitriny ireo mpanolotsain’ny lapan’i Mahazoarivo sy Iavoloha. Kobokobonin’ny marina ve ka milaza ny tsy anontaniana ?
Tamin’ny herinandro lasa iny dia efa notaterina an-gazety teto fa mihenjan-droa ny tady eo amin’ny lapan’i Iavoloha sy ny lapan’i Mahazoarivo ankehitriny.
Ampamoaka
Eo Anivon’ireo mpanao gazety mpanolotsain’ny andrim-panjakana roa tonta no tena tiana asian-teny. Avy eny Mahazoarivo no niainga ny feo milaza fa misy mpanao gazety iray izay efa tapi-dalan-kaleha miaraka amina mpanolotsaina iray an’ny filoham-pirenena mivoy vaovao diso entina hanapotehana ireo izay tsy mitovy hevitra amin’ny fiadidian’ny Repoblika. Nanafintohana ity mpanolotsaina avy eny Mahazoarivo ity izany satria tsinjony fa te hampiady ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izay ambarany fa tsara fifandraisana ny zavatra ataon’ireto olon-droa voalaza ireto. Ireto olona farany ireto moa dia ambaran’ity mpanolotsaina eny Mahazoarivo ity fa rain-dahiny amin’ny raharaha kidnapping sy ny afera na boaderozy kanefa dia olona voalaza fa mpanolotsain’ny filoha. Noho izany ve no nahatonga ny fiadidian’ny Repobilika voatonontonona teny an-tsefatsefany teny tamin’ireny resaka kidnapping ireny ? Nanaitra ihany mantsy ny nandrenesana ny fintim-baovao tao amin’ny haino aman-jerim-pirenena tamin’ny fandaharana « Dian-tana » izay tsy nisalasala akory nilaza hoe fitokanana ny fotodrafitrasa fitarihan-drano tany Ampotaka nandritra ny dian’ny filoham-pirenena tany amin’ny distrikan’i Beloha ny herinandro lasa teo kanefa tsy nisy zava-bita izany akory tany fa fitsidihana ny toerana no natao haminavinana ny filàna amin’ny hitarihan-drano fa ny foiben’ny Rnm ihany no notokanana tany. Na eo aza ny fitiavana sy ny finiavana te hanasohaso ny fanjakana misy dia tokony ho ny zava-marina ihany no tenenina fa tsy mamoron-dainga. Sa izay no baiko azo mba ho fanatsarana endrika ny filoham-pirenena ? Miezaka hatrany milaza ny filoha sy ny praiminisitra fa mety tsara ny fifandraisana eo amin’izy mirahalahy. Misy foana anefa ny resaka mivoaka sy zavatra hafahafa mitranga ka anisan’izany ity ady mirehitra eo amin’ny samy mpanolotsaina ity izay mety hivadika ho ampamoaka sy famoahana tsiambaratelo raha tsy voalamina haingana.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.