Rehefa samy nitety izay nalehany, Israely, Ejipta ireto mpiara-miasa amin'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia ambohipihaonan'ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara tao Paris renivohitr’i Frantsa ny 09 jona eto.
Azo ambara ho fisehoana voalohan'ireo birao foibe, tarihin’ny filohany Rakotovao Rivo io. Randrianarivony Jaobarison moa nilaza fa dia hihazakazaka ny fametrahana ny sampan’ny antoko, hiatrika ny fifidianana ho avy. Zon’ny antoko tanteraka izany, fa ny mampametra-panontaniana sy mahalasa eritreritra eto dia ny hoe volam-panjakana moa izany no ampiasain'ny antoko na ny sarandalana na ny hofan-trano fivahinianana ary mazava ny sakafo sy ny 'indemnité', tsy ferana ny fiantsenana, amin’ny toe-javatra toy izao sa mba fifanojoan-javatra fotsiny ihany ? Ny antoko politika moa dia misy lalàna mifehy azy izay manambara fa tsy maintsy manao tatitra ara-bola ao amin'ny ministeran'ny atitany ny antoko tsirairay, ka andrasantsika izany raha nianto-tena ny antoko nandeha tany Paris sa dia hoe : fanararoatra satria navily any Paris indray ny fiaramanidina. Izay marina moa izany ilay hoe hery vaovao ananany ka ampiasainy marina ny heriny. Fa hatreto aloha dia ny tonta ihany no avadibadika fa omena endrika hafa fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.