Politique

HVM sy MAPAR Miseho masoandro ny gidragidra


  • Talata 05 Febroary 2019

Mafampana ny fifandiran’ny HVM sy ny MAPAR amin’izao, raha dinihina amin’ny zava-niseho tato ho ato. Tsikaritra ho matahotra amin’ny mety hanongotana azy amin’ny toerany ireo loholona HVM miisa 21 notendren’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina,

 raha dinihina tamin’ny nangatahan’ny filohan’io Andrim-panjakana io Atoa Rivo Rakotovao ny hevitry ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Nifototra tamin’ny fahafahan'ny filoham-pirenena manova ireo loholona voatendry, izay anjaran'ny filoha eo anivon'ny Antenimierandoholona izany. Tsy misy mampiavaka ireo loholona voafidy sy ireo voatendry amin'ny asa aman'andraikitra sahaniny, ary mitovy ihany koa ny fe-potoana fiasany, hoy ny HCC. Afa-bela aloha izany ireo loholona HVM tamin’iny. Toe-javatra hafa ihany koa ny namoahan’ny  talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina naoty ny 30 janoary 2019, mibaiko ny famerenana ireo fiaram-panjakana na « véhicules administratifs » rehetra nampiasaina tao amin’ireo departemanta ireo. Tsy mbola misy anefa didim-panjakana manala ireo tale isan-tokony eo anivon’ny minisitera roa nakambana ho iray, dia ny serasera sy ny kolontsaina, ary tsy mbola nisy ihany koa didim-panjakana manendry tale vaovao, mampiasa fiaram-panjakana. Mety ho olon’ny HVM ny ankamaroan’ireo tompon’andraikitra mbola miasa, tratry ny antsojay hafahafa. Miteraka adihevitra io toe-draharaha io ary misy amin’ny mpiasa no mandika izany ho fanamparam-pahefana sy fanitsahana andraikitra. Raha ny fanamarihan’ny  mpiasa dia andraikitry ny sekretera jeneralin’ny minisitera ny momba ny fitantanan-draharaha (administration), fa tsy anjaran'ny talen’ny kabinetra. Ny faran’ny herinandro teo ihany koa no nisamborana sy nampidirana am-ponja ny mpanolotsain’ny filoha teo aloha dia i Hugues Ratsiferana noho ny raharaha fakana entana tao Ambohitsorohitra. Ahiana ho misy tsindry politika sy famaliana faty ihany koa anefa iny toe-draharaha iny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT