Sarotiny amin’ny maha mpanapa-kevitra farany azy eo amin’ny famoahana lalàna velona eto amin’ny firenena ny fitondrana Hery Vaovao ho an’i Madagasikara raha ny fanehoan-kevitra farany nataon’ny
praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier mikasika ny fehezan-dalàna vaovao hifehy ny fifidianana eto Madagasikara. Tsapa rahateo fa te hifikitra mafy eo amin’ny fitondrana ny antoko HVM amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy solombavambahoaka hotontosaina amin’ny taona 2018 izao. Manan-danja manokana ho an’ny fahefana mpanatanteraka, ohatra, ny fikitihana ilay andininy faha-46 voalazan’ny Lalàmpanorenana mazava tsara mikasika ny fe-potoana fametraham-pialan’ny filoham-pirenena am-perinasa raha hirotsaka ho kandida ny tenany. Teboka goavana nifaneken’ny vaomiera nanangon-kevitra ifotony momba ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana kosa ny fampitomboana ny fahefan’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante). Anisan’izany ny famolavolana ireo datim-pifidianana tsy miovaova, ny fahaleovantena ara-bolan’ny kaomisionina ary ny fanomezana andraikitra ity farany hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy fa tsy hosahanin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana intsony.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.