Hentitra ny vondrona Mapar tamin’ny fanambarana nataony omaly ary manameloka tanteraka ny ambarany fa tsy fanarahan-dalàna tamin’ny famoahana ny didy fampisamborana ny senatera Lylison René de Rolland ary tsy hanaiky izany fisamborana izany.
Aoka tsy hifamitaka sy tsy hifanambaka eto, hoy ry zareo Mapar izay tezitra tanteraka raha ny fahitana sy ny fahenoana ny resak’izy ireo omaly. Nametra-panontaniana ny Mapar hoe fa ampanjakaina eto Madagasikara ve izany ny jadona ka tsy azo atao intsony ny fanehoan-kevitra demokratika ? Tsy nanao afa tsy ny nanambara ny tsy mety eo amin’ny fitantanana ny firenena araka ny andraikitry ny loholona voalazan’ny andininy faha-68 ao amin’ny lalàmpanorenana momba ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta sy fanaovana tombana ny politikam-panjakana ny senatera Lylison, hoy ny Mapar. Ka inona no olana na fandikan-dalàna ao anatin’izany ? Sokajiana ho fanonganam-panjakana ve izany ny antso nataon’ny senatera Lylison tamin’ny olona mba hisaina am-pahanginana tany an-trano ary hampisaina am-pilaminana ny mpitondra momba ireo zava-misy eto amin’ny firenena ? Nahitsy fitenenana ireto mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina ireto fa hoe efa mampiaky volana ny olona ny fanaovana kolikoly sy ny fandrobana ny harem-pirenena ary ny fanaovana varo-boba tsotra izao ny tanindrazana. Henjana dia henjana ny fanakianan’ny vondrona Mapar ny fitondrana HVM ary toa manamafy hatrany ny tsy hihavanan’ny roa tonta intsony ny tranga tahaka izao. Mazava ny resaka eto fa vaky ny ady eo amin’ny MAPAR sy ny HVM.
Adilahy politika
Adihevitra be ilay hoe tratra ambodiomby ka nahoana no tsy nosamborina avy hatrany tamin’iny andro nanaovany fanambarana iny ny senaera Lylison, na farafahatarany ny ampitson’iny ? Efa miendrika fandikan-dalàna izany, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Nanamafy izany koa ny depiote Brunel Razafintsiandraofa izay namerina nanazava ny andininy faha-206 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana eto Madagasikara momba ny fahatrarana ambodiomby na « flagrant délit ». Amin’izy ireo dia mbola nisy komity noforonina nametraka paikady tany ho any izay vao neritreretina ny hamoahana didy fampisamborana ny senatera Lylison, izany hoe efa misy ambadika politika ny raharaha. Tapa-bolana aty aoriana tokoa moa vao nanambara mazava tamin’ny fomba ofisialy ny fitsarana fa misy ilay didy fampisamborana, kanefa nambara fa tratra ambodiomby tamina fandikan-dalàna ny senatera Lylison. Mampieritreritra tokoa izany fitarazohan’ny fanazavana izany. Ankilan’izay, nahoana no nangingina hatramin’izay ny Mapar fa niandry ilay fanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna afak’omaly vao tonga masiaka ? Ny 25 mey no nosavaina ny tranon’ny senatera Lylison, ka nanomboka teo no tsy hita popoka sy niafina izy. Nahoana no tapabolana aty aoriana (10 jona) vao manao fanambarana miezinezina ny Mapar na dia efa fantatra hatry ny ela aza fa karohana fatratra sy tsy maintsy hosamborina ny senatera Lylison ? Adilahy politika marina angamba !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.